Hotanterahina anio alarobia, ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Manchester City, Anglisy sy Real Madrid, Espaina. Izany dia hatao ao amin’ny Etihad Stadium. Tsiahivina fa nandritra ny dingana voalohany, notontosaina tao Santiago […]
Other News
Handball – «IHF Trophy 2023» : vonona ny Akio de Madagascar
Hotanterahina atsy Afrika Atsimo, ny 23 ka hatramin’ny 27 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakam-paritra fahenina eo amin’ny taranja handball (IHF Trophy 2023), sokajy vehivavy, cadette sy junior. Raha tsiahivina, nafindra any amin’ny faritra fahenina i Madagasikara sy i Seychelles, noho ny tsy fahampian’ireo firenena mandray anjara […]
Ady totohondry – JIOI : hiditra amin’ny fampivondronana faharoa
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny katrokady hifantenana ireo atleta, hiatrika ny fampivondronana faharoa, eo amin’ny taranja ady totohondry. Nomarihin-dRanaivo Thierry, mpanazatra nasionaly, 56 no nanaraka ny fampivondronana voalohany, izay nanomboka tamin’ny 1 mey ka nifarana tamin’ny 13 mey. Ny roa isaky ny sokajy kosa […]
Karate-Andrianavomanana Solofo : “Fanapahankevitr’olon-tokana ny nataon’ny MJS”
Naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha misy eo amin’ny taranja karate amin’izao fotoana, Andrianavomanana Solofo Barijaona sy ireo ligy 14, omaly, teny Ivandry. Nanatanteraka fivoriambe ara-potoana (ordinaire) sy extraordinaire, teny amin’ny foiben’ny Komity olympika Malagasy, omaly, Andrianavomanana Solofo Barijaona sy ireo ligy 14 miara-dia aminy. Nandritra izany no nanehoany ny […]
FJKM Ambodihady Vaovao : 25 taona ny Sekoly Alahady
Hosokafana ny sabotsy 20 mey izao, ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao Ambohimanarina, ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily Volafotsy (faha-25 taona) ny sampana Sekoly Alahady, synodamparitany Antananarivo Andrefana. Teny faneva hoentina mankalaza izany ny “Ary izay taranakao ny hanangana ny efa rava ela…” (Isa 58, 12a). Mandritra ny taona ny […]






