Adihevitra tsy mbola vita? Ranolava ny fanehoan-kevitra. “Tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka izany fitondrana Tetezamita izany, fa tombontsoan’ny mpanao politika izay tsy manana olona ary tsy nanampy olona hatramin’izay dia te haka seza indray”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, ny amin’ny fitadiavan’ny […]
Other News
Faha-140 taona ny fifandraisana: hanamafy ny fiaraha-miasa i Alemaina
Nanamarika ny tantara eo amin’ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Feno 140 taona, ny 15 mey teo, ny nifandraisan’ny fanjakana malagasy sy ry zareo Alemà. Nomarihina omaly, tetsy Anosy, ny fankalazana izany, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla. Nambaran’ny ambasadaoron’i Alemaina, Michael Hausler fa zava-dehibe ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta, […]
Minisitry ny Fitsarana : “Tsy misy idiran’ny resaka politika ny asan’ny Pac”
Nandiso ireo fanehoan-kevitra samihafa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy 67ha. Notsiahiviny tamin’izany ny asan’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac). “Tsy natao hanenjehana mpanao politika na koa hikendrena foko izatsy na izaroa ny Pac. Mametraka ny tany tan-dalàna isika ary miady amin’ny kolikoly ka tsy misy […]
Fifidianana ihany ?
Manjavozavo sy mbola tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Ny resa-pifidianana sy ny Tetezamita no malaza saingy tsy hita soritra izay fanapahan-kevitra marina. Ny zava-misy sy hita taratra, mipoipoitra daholo indray aloha ny mpanao politika zokinjokiny na ny « Dinaozoro ». Miseho masoandro ny antoko politika, efa natory. […]
Lehilahy novonoina: nomena fampatoriana, notsatotsatohana antsy
Voasambotry ny polisy ny mpifankatia namono lehilahy, iray teny Andavamamba. Nomen’izy ireo fampatoriana, nolerana antsy, nodorana ilay lasibatra. Niaiky ny heloka vitany izy roa. Tapa-bolana aty aoriana, tra-tehaky ny polisy ny atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana iray tetsy Andavamamba. “Razana nodorana tanaty dabam-pako no nanaitra ny mponina manodidina […]






