Hosokafana ny sabotsy 20 mey izao, ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao Ambohimanarina, ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily Volafotsy (faha-25 taona) ny sampana Sekoly Alahady, synodamparitany Antananarivo Andrefana. Teny faneva hoentina mankalaza izany ny “Ary izay taranakao ny hanangana ny efa rava ela…” (Isa 58, 12a). Mandritra ny taona ny fankalazana ka ny sabotsy 23 septambra izao ny ivo, izay hotanterahina ao amin’ny FJKM Ambatolampy Fahazavana Ambohitrimanjaka. Alahady 16 desambra, ao amin’ny FJKM Mahitsy famonjena, ary ny sabotsy 30 desambra no hamaranana ny fankalazana.
Raha tsiahivina, sampana Sekoly Alahady synodamparitany Antananarivo Andrefana, fitambarana synodamparitany miisa dimy, tamin’ izany : Ambonin’Ampamarinana, Amparibe, Ambohimanarina, Ambohidratrimo, Isotry vangaina. Ny 16 oktobra 1996 kosa ny fivoriana voalohan’
ity sampana ity.
HaRy Razafindrakoto




