Hametraka fehezam-boninkazo, etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, anio, ny fikambanana “Hetsika 72”. Nambaran’ireo mpitarika, Rasoloarijao Perle sy Rainidina ary koa Andrianaivojaona Fanirison fa efa nahazoana alalana izao hetsika, anio, izao. Notsiahivin’izy ireo amin’izao faha-52 taon’ny “Raharaha 72” izao fa mazava ny foto-kevi-dehibe nijoroana tamin’izany. “Notakina ny fanagasiana ny fampianarana sy […]
Other News
Fitakian’ny mpanohitra sasany : mitsipaka ny Tetezamita Ratsiraka Roland
“Malahelo aho mahita antoko politika sy ny sasany manambara fa tsara ny hidirantsika amin’ny Tetezamita”, hoy ny depiote Ratsiraka Roland. Fantatra ny dikan’ny Tetezamita fa fiadiana seza sy fanaovana ampihimba ny toekarena. Vao mainka miato ny fiaraha-miasa amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. “Tsy misy zavatra mahasoa antsika ny Tetezamita”, hoy izy. Tsotra […]
Filohan’ny Antenimierandoholona: «Fiatrehana fifidianana izao no ezahina»
Nitondra ny heviny koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Ny fiezahana miatrika fifidianana amim-pahatoniana izao no atao mba hilamina aloha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Mba hoeken’ny rehetra izay voka-pifidianana eo. Na inona na inona vokatra eo, tokony hoeken’ny rehetra.” Io ny fanehoan-kevitry ny […]
Vovonana “Tsimatimanota” : “Tsy avela hanjaka eto intsony ny tsimatimanota”, hoy i Paolo
“Noho ny disadisa misy eto Madagasikara, mahatsapa izahay fa potika ny firenena, mahatsapa izahay fa misy ny tsimatimanota. Eo koa ireo mpiaro olon-dratsy mpamotika firenena sy mpamono olona. Noho izany, nanapa-kevitra izahay fa hatsangana ny vovonana miady amin’ny tsimatimanota eto Madagasikara”, hoy ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, nandritra […]
Mandohalika foana !
Manamarika ny faha-51 taona nisian’ny tolona 13 mey 1972 ny Malagasy, anio. Tolona izay niarahan’ny rehetra nahalala fa niafara tamin’ ny fanonganana ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana, Tsiranana Philibert. Tolona nanehoan’ny Malagasy fa vanim-potoana tsy maintsy hijoroan’ny Malagasy amin’ny maha izy azy. Fotoana nandrehitra indray ny fitiavan-tanindrazana taorian’ny nahazoana ny «sarintsarim-pahaleovantena», […]






