Tsy voalohany ny fiarahana ho an’i Njakatiana sy i Bodo. Maro ireo mpankafy ireo fampiaraham-peo iarahan’ireto kalaza ireto, toa ny anatin’ny “Toera-mamy”, “Ry foko”, “Resinao”, sns. Hira nampahafantarana ny fiarahana an-tsehatra, toa ilay seho “Mifampitantana”, izy ireny… Fantatra izao fa hisy tohiny izany, mandritra ny seho “Amboaran-kira ho an’i Neny”. […]
Other News
Gadona malagasy: hatsangana ny « Redombe Bagasy »
Tanterahina, anio, eny amin’ny Aro Antsahavola, ny «Zarasehatra Redombe», hetsika tafiditra ao anatin’ny sehatra bagasy, volana mey 2023, karakarain’ny fikambanana Sehatra Bagasy. Fampisehoana, dinika, fampianarana no hameno ny fandaharam-potoana amin’ity anio ity. Tanjona ny fampiraisana ny mpanao bagasy rehetra, eo koa ny fifampizarana eo amin’ny samy mpisehatra eo amin’ity gadona […]
Ho valin’ny fangatahana…: ho vita tsy ho ela ny “Kianjan’ny hiragasy”
Mizotra tsara ny asa fananganana. Hanana fotodrafitrasa azy manokana amin’izay ireo mpanao hiragasy, rehefa vita ny kianja etsy Anosy. Aman-taonany no nangataka kianja manokana ho azy ireo eto Antananarivo ny mpanao hiragasy. Nisy ny fampanantenana nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, ka raikitra fa aorina ao ambadiky ny Tranombokim-pirenena ny […]
Tetikasa Mionjo: nisitraka fitaovana sy vola ireo kaominina miisa 59
Natao tany Taolagnaro, omaly, ny fihaonan’ny komity nasionaly mpitarika ny tetikasa Mionjo. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Nambarany, miroso izany tetikasa izany ka anisan’izany ny nisitrahan’ireo kaominina miisa 59 fanampiana 12 miliara Ar mahery. Anisan’ny nahazo izany ny any Atsimo Andrefana sy Anosy ary Androy. […]
Moussa Soalihy ; « Ny fifidianana ihany no vahaolana »
“Ny firosoantsika amin’ny fifidianana ihany no vahaolana raha tiantsika ny hampandroso ny firenena”, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka politika eto Madagasikara, omaly, teny Ampefiloha. Nohamafisin’ity mpandinika ity fa tsy ilaina ny miroso mankany amin’ny fitondrana Tetezamita, satria anisan’ireo nampisy ny krizy izany. Raha ny filazany, misy ny fifidianana eto amintsika […]






