Ady amin’ny Covid-19 – Magadasikara: nahazo fitaovana hanarahana ireo vita vaksiny

Nanolotra fitaovana informatika, Covax traker, ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID. Natao indrindra hanatsarana ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny valanaretina covid-19  eto Madagasikara izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ity fitaovana ity, azo jerena haingana amin’ny  internet ny fizotran’ny fanaovam-baksiny amin’ny toerana samihafa. Hahafahana manao fanisana sy miserasera amin’ny fanaovana tolotra haingana sy ara-potoana koa ny fampiasana izany.   

Tsiahivina fa misokatra ho an’ny rehetra ary maimaim-poana ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara. Mbola vitsy anefa ireo resy lahatra amin’ny fanaovana izany ary manaporofo izay  ny tsy fisian’ny filaharana eny amin’ny CSBII intsony.

Ny fanjakana rahateo manome safidy malalaka amin’ny fanaovana izany. Efa tafiditra anatin’ny fepetra apetrak’ireo orinasa sasantsasany anefa ny fahavitana vaksiny vao afaka miasa ao aminy. Takina rahateo izany rehefa mivoaka any ivelany mba hifehezana ny fiparitahan’ny aretina covid-19

Tatiana A

Partager sur: