Fanehoana firaisankina : Notolorana vatsy ny ankizy tsy salama eny amin’ny hopitaly

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena, nitsidika sy nankahery ary nitondra vatsy ho an’ireo ankizy tsy salama manaraka fitsaboana eny amin’ireo hopitalim-panjakana le­hibe eto Antananarivo ny so­lontenan’ny fitondram-panjakana. Notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël izany, tamin’ity herinandro ity. Fitsidi­hana izay maneho indray ny fiaraha-mientan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanohanana ireo sokajin’olona marefo, indrindra ny ankizy. Manama­fy ihany koa fa tsy hadino izy ireo na dia eo aza ny sedra ara-pahasalamana lalovany. Marihina fa hisy ihany koa ny fandraisana an-tanana ataon’ny fitondram-panjakana ho an’ireo ankizy tsy salama nefa anaty fahasahiranana lalina ka mila fiahiana manokana. “Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Iray volan’ny ankizy koa ity volana jona ity. Izay no antony nijerena manokana azy ireo”, hoy ny solontenan’ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana. Vatsy sy tohana ara-tsakafo ary kilalao no natolotra azy ireo nandritra ny fitsidihana. narahina teny fankaherezana sy fanohanana, indrindra ho an’ireo ray aman-dreny izany. Tsy fety fanamarihana ny niverenan’ny fahaleovantena fotsiny ny volana jona fa fahatsiarovana ny maha olona, indrindra ireo tojo tsy fahasalamana, araka ny fanazavana. Nahazo anjara avokoa ny zaza sy ny ankizy manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly tantanin’ny fanjakana.

Vonjy

Partager sur: