Anosy: mpiasan’ny fahasalamana 40 nofanina

Notanterahina tao amin’ny distrikan’i Beloha sy Tsihombe ny fampiofanana ireo mpia­san’ny fahasalamana 40 nahitana dokotera sy mpitsabo mpanampy ary mpampivelona. Tanjon’ny fiofanana ny hahafahany manatsara ny asany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy fandraisana marary.
Avy any amin’ny faritra An­droy, Anôsy ary Atsimo Andrefana izy 40 mianadahy ireo. Nohamafisina tamin’izany ny fampiasana ny paikady vaovao fandrindrana ny fiainam-pianakaviana maharitra. Teo kosa ny fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza amin’ny alalan’ny fitiliana. Ankoatra izany, ny fandraisana an-tanana ny olona tratran’ny herisetra ary ny fanararaotana ara-nofo, izay mpahazo ny ankizy sy ny vehi­vavy.
Tamin’ny alalan’ny UNFPA miaraka amin’ny famatsian’ ny USAID no nahafahana na­natanteraka ny fiofanana.

Tatiana A

Partager sur: