Radio Fahazavana: Mankalaza ny faha-29 taona nijoroany

29 taona nijoroana amin’ity taona ity, ny radio fahazavana. Fitaovan-tserasera iray eo anivon’ny Fiangonanan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Nosantarina tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny trano foibe FJKM Ifano­mezantsoa Anakaleky, afakomaly, ny fanamarihana izany. « Fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo », io no teny fanevan’ny radio, izay nifandraika tamin’ny vinan’ny foibe. Natao hitoriana filazantsara sy hanabeazana ary hampitana vaovao isan-karazany ity onjam-peo ity. Anisan’ireo zokiny indrindra ny radio fahazavana. « Mbola ao anatin’ny ezaka hatrany ny tomponandraikitra amin’ny fanatsarana mba ho anisan’ny lohany. Tazomina hatrany izay mahazokiny izay mba ho fitaratra ho an’ny hafa », hoy i Natrehinirina Lanto, talen’ny radio Fahazavana. Tao anatin’izay taona nijoroany izay, efa maro ny fanatsarana natao teo anivon’ny radio. « Mila maharaka fitaovana tsara mba hahafahan’ny radio hanome fafahafam-po ho an’ny mpihaino», hoy ihany izy. Nambarany fa tena mila ezaka ny lafiny ara-teknika sy ny fandaharana, indrindra ny mahakasika ny tenin’Andriamanitra izay efa fantatry ny mpihaino. Marihina fa tsy nijanona eto Antananarivo ihany ny onjam-peo fa efa misy ivontoerana any amin’ny faritra hafa, toy ny any Ambatolampy, Moramanga, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa. Ankoatra izay, afaka renesina maneran-tany ihany koa ity radio ity, amin’ny alalan’ ny tambajotran-tserasera, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: