DJ Natoo: hitondra ny “Moonlight party”

Hafana indray ny fiarahana amin’ity faran’ny herinandro ity. Haneho ny maha izy azy ireo kalaza amin’ny fampandihizana sy fikosehana kapila miarahalahy, iarahana amin-dry DJ Cyemci sy DJ Natoo anio zoma 25 novambra. rahampitso kosa indray, hisy ny “Moonlight party” iarahana amin’ny DJ Natoo hatrany etsy amin’ny Ethnika Analakely, manomboka amin’ny 9 ora alina. DJ efa manana traikefa eo amin’ny sehatry ny lanonana samihafa ireto haneho ny maha izy azy ireto ka antenaina fa hafana, araka izany, ny lanonana amin’ity faran’ny herinandro ity. Sady mia­la kely amin’ny mhazatra sy ny rotoroto mandritra ny herinandro no mba maka fafiny kely amin’ny fandihizana sy ny sisa… Tsy hijanona eo fa mitohy hatrany ny lanonana isan-karazany etsy amin’ny Ethnika isaky ny zoma sy asabotsy, raha ny filazan’ny ivontoerana.

Narilala

Partager sur: