Fahaiza-mandaha-teny: hanamarika ny faha-15 taonany ny Madagaslam

15 taona nampahafantarana, nampiainana ary nizarana ny slam. Tsy handalo fotsiny izany hoan’ny fikambanana Madagaslam, fa homarihina amin’ny hetsika maromaro.

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Institut Français Madagascar (IFM) Analakely ny fikambanana Ma­dagaslam, omaly. Nampa­hafantatra ny momba ny slam sy ny hetsika hotontosaina amin’ity taona ity izy ireo. “Sehatra iray ampitana hafatra amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo hiraina ny slam. Fanehoan-kevitra malalaka ihany koa izy ”, hoy i Tajiero, mpanao slam eo anivon’ny Madagaslam . Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-15 taona nijoroan’ny fikambanana Madagaslam ny hetsika andiany faha-13 izay tontosaina nanomboka omaly hatramin’ny 3 desambra izao.

Hetsika roa lehibe no hankalazaina mandritra izany. Voa­lohany, ny takariva “Me­na sy Mainty”, hatao etsy Ambatonakanga, ny asabotsy 26 novambra izao. Faharoa, fampirantiana “Madagaslam An-XV”, ahitana an-tsary ny faha-15 taonan’ny fikambanana. Hiarahana amin’ireo mpi­ara- miombona antoka rehetra manohana azy ireo. Homa­rihina koa ny fihaonana amin’ireo vahiny avy any ivelany. Hiarahabana manokana an’ i Clotilde de Brito, tompondaka frantsay, ny taona 2014 ary tompondaka eran-tany tamin’ny tononkalo-Slam niaraka tamin’i Lucia Poetry, ny taona 2015, izany.

Hosokafana ny asabotsy 26 novambra izao, amin’ny 3 ora tolakandro ny hetsika fankalazana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny atrikasa, fifaninanana tononkalo…. Maharitra 10 andro izany, ka hatao amina toerana samy hafa (CGM Analakely, AFT Andavamamba…..). Ny 3 desambra ny famaranana. Fotoana hamantarana izay ho tompondakan’ny « Slam-poésie 2022 » sady hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana slam maneran-tany any Frantsa, ny taona 2023.
« Olana goavana amin’ny fanaovana slam eto Madaga­sikara ny fomba andraisan’ny olona ny tian’ny mpihantsa ampitaina. Zavatra hafa no andikain’ny olona maheno azy, nefa mampiseho sy milaza ny zavatra hitany sy tsapany fotsiny ny mpihantsa », hoy i System-D, mpihantsa Slam.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: