Hiray sehatra indray… Hihira ny fitia i Dô sy i Lôla

Dô Rajhonson, fantatra hatramin’izay amin’ny hiram-pitiavana amin’ny endriny rehetra. Tsy vitan’izay fa manana ilay feo miavaka sy ny hira milantolanto, maneho ny fihetseham-po torin’ny hirany… Lôla kosa, be mpankafy amin’ny karazan-gadona maroloko, ahenoana ny basesa, ny milamindamina… Mam­pitovy azy mirahalahy ireto ny hiram-pitiavana, ary izay no tena hisongadina mandritra ny fiarahan’izy ireo an-tsehatra, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana.
Tsy vao izao akory ny fampiaraham-peo sy ny fiarahana an-tsehatra ho an’i Dô sy i Lôla. Efa tamin’ny 5 taona lasa ilay hira “Ho antsika”, kanefa dia mbola aman-taonany maro nialoha izany no efa niray tsikombakomba izy mirahalahy ireto. Ankoatra ny finamanana efa ela, nangatahan’ny mpankafy hatrany ny fifamenoana talenta eo amin’ireto mpanakanto ireto. Famaliana izay hetaheta izay indrindra no anton’ity fiarahana anio ity. Fantatra ihany koa fa savaranonando ihany, amin’ny fiarahana amin’io taona ho avy io izany.

Zo ny Aina

Partager sur: