Tsiahin’ny lasa: hiaka-tsehatra etsy Antsahamanitra ny Kaiamba

Tsy fahita firy ary tena hiavaka ity indray mandeha ity. Hiaka-tsehatra etsy An­tsahamanitra, ny alahady 4 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny Kaiamba. Anisan’ny hitondra ny talentany amin’izany ry Jean kely & Basth, Daddah samy Malagasy – Christian Egebaest – Prosh’Ely – Charles Martin – Simon Randria – Zô­zô Mananjary – Jackie Edmée – Raymond – Julien Raminia- Coco Tavaratra- Prince Lou­kas­sa…
Hahatsiaro ny tany amin’ny taona 1970 sy ny taty ao­rian’izany ireo mpankafy amin’izao seho an-tsehatra ho an’ny tsiahin’ny Kaiamba izao. Anisan’ny hohirain’izy ireo amin’izany ireo hira nahafantarana ireo mpanakanto ireo avy. Eo ny “Tambitamby lava, Ia ro zah da magniny, Satria mbola tiako ianao, Ianao irery…”
Mpikarakara izao seho an-tsehatra izao sady tsy mbola nandiso fanantenana ny maro ny Baobab Pro G.
Tsiahivina fa hisokatra amin’ny 10 ora maraina ny vavahady.

Synèse R.

Partager sur: