Judo – «TIMAD»: mpikatroka 80 hifaninana

Raikitra ny fifaninanana «Tournoi International de Madagascar» (TIMAD), ta­ranja Judo, tanterahina eny amin’ny kianja mitafon’An­korondrano, manomboka, anio 26 novambra. Mpika­troka 80 mianadahy ny hifaninana sy hiady ny amboara. Adin’ny Renioney sy ny Malagasy ny hitranga mandritra ny roa andron’ny fifaninanana, tsy tonga tamin’ny ora farany mantsy ry zareo Kaomoriana. 57 ny judokas malagasy, 23 kosa ny judokas avy atsy La Réunion tonga hanafika eto amintsika. Hampiseho ny fahaizany ireo mpikatroka malagasy ary miandrandra medaly maro manoloana ny renioney.
Araka ny fandaharam-potoana, hiditra avy hatrany amin’ny fifanintsanana anio maraina, ny sokajy -48 kg , -52 kg , -57 kg , 63 kg, eo amin’ny sokajy vehivavy ary ny sokajy -60 kg, -66 kg, -73 kg kosa eo amin’ny sokajy lehilahy. Hitohy amin’ny -70 kg , -78 kg et + 78 kg, sokajy vehivavy sy -81 kg, -90 kg , -100 kg, +100 kg, sokajy lehilahy, izany, ny alahady maraina. Hotanterahina ny alahady hariva kosa ny famaranana rehetra. Anisan’ny ady hitranga anio, ny fifandonana eo amin’ny teratany malagasy, i Bezaly Zelia (-81 kg) sokajy vehivavy sy ny teratany Re­nioney, Courteaud Gilles.

Mi.Raz

Partager sur: