Nodomin’ny fiarabe mpitatitra entana ny sprinter mpitatitr’olona tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly atoandro. Potika tanteraka ny fiara tra-doza. Mpandeha fito tao anatiny namoy ny ainy. Efatra hafa naratra mafy.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona maro tany amin’ ny lalam-pirenena faharoa, omaly atoandro tamin’ny 1 ora sy sasany tany ho any. Nidona mafy tamin’ny fiara sprinter izay mpitatitr’olona avy amin’ny koperativa iray ny fiarabe mpitatitr’entana, rehefa tonga teo amin’ny tanàn’Antsapazana, fokontany Andranokobaka, kaominina Ambohibary, distrikan’i Moramanga. Noho ny dona mafy nahazo ilay sprinter, pempo sy nivadika ilay fiara. Vokany, mpandeha miisa fito tao anatiny namoy ny ainy, raha ny tatitra voaray avy amin’ ny mpitandro filaminana ao Moramanga. Nahitana lehilahy telo sy vehivavy efatra izany. Maty tsy tra-drano ny enina tamin’izy ireo, raha maty tany amin’ny hopitaly kosa ny iray. Ankoatra izany, mpandeha efatra hafa naratra mafy (lehilahy telo sy vehivavy iray). Tafiditra ao antin’ireo olona naratra ireo ny mpamilin’ilay fiara mpitatitr’olona. Taorian’ny loza, nentina haingana any amin’ny hopitaly Moramanga izy ireo ary efa manaraka fitsaboana.
Nosokirina tao anaty fiara
Etsy ankilany, mbola sokirina ao anaty fiara ny razana telo amin’ireo olona fito namoy ny ainy, hatramin’ny omaly hariva, fotoana nanoratanay. Nananosarotra ny fisokirana azy ireo noho ny fahapotehan’ilay fiara nitondra azy ireo. Terin’ny seza sy vy maro amin’ny fiara ireo olona maty miisa telo tavela ireo, raha ny fanazavana hatrany. Manampy amin’ny fisokirana azy ireo ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Etsy andaniny, notazomina sy notanana natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana any an-toerana ny mpamilin’ilay fiarabe mpitatitr’entana, izay nihavian’ny loza. Mba ho fisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka no antony. Eo am-pamantarana ireo olona namoy ny ainy sy ireo naratra kosa ny mpitandro filaminana. Efa misokatra ny fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana.
Mino





