Tsy tokony hafangaro… Fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny 14 oktobra 1958, azo lazaina hoe fetim-pirenena noho ny maha firenena iray tsy mivaky amin’ny maha Repoblika azy. Niverenan’ny Fahaleovantena kosa ny 26 jona 1960 hoe fetin’ny Fahaleovantena. Tantaram-pirenena…
Fetim-pirenena ny 14 oktobra 1958, nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara ho firenena iray tsy mivaky amin’ny maha Repoblika azy. Na izany aza, tsy mbola nahaleo tena na afaka izy, fa ny 26 jona 1960 no niverenan’ ny Fahaleovantena. Nambara teny amin’ny efitrano filanonan’ny Lycée Galliéni, Andohalo, ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblika. Nanomboka teo, firenena repoblikanina i Madagasikara: tsy ifandovana ny fitondram-panjakana, olom-boafidy no mpitondra…
Niantso ny mpanolotsaim-paritany hanao ny kongresy tamin’io ny filoha lefitry ny governemanta, i Tsiranana Philibert. Nodinihina ny sata hitondrana an’i Madagasikara. Lany ny fananganana ny Repoblika. Nofidina koa ny Antenimierampirenena voalohany, nankatoavina ny hiram-pirenena “Ry tanindrazanay malala ô”. Talohan’ny naha zanatany an’i Madagasikara, 1895, ny “Arovy ny mpanjaka” no hira tamin’ny lanonam-panjakana. Natsangana voalohany koa ny saim-pirenena malagasy: fotsy, mena, maitso. Teo koa ny teny filamatry ny Repoblika: Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana.
Ny 15 oktobra 1958 no foana ny lalàna naha zanatany frantsay an’i Madagasikara (loi d’annexion) tamin’ny 6 aogositra 1896. Na efa nijoro aza ny Repoblika ary foana ny lalàna naha zanatany: mbola tao anatin’ny hoe “lalàna lasitra” i Madagasikara. Fanomanana sy fiomanana ho amin’ ny fizakana ny fahaleovantenan’ny governemanta najoro ny lalàna lasitra. Talohan’ny fijoroan’ny Repoblika, nisy fitsapan-kevi-bahoaka ny amin’ ny fizakan-tena tanteraka na tsia, ny 28 septambra 1958. Tsy fiarahana intsony amin’i Frantsa fa fizakan-tena tanteraka ny “Tsia” tamin’izany, ary ho eo ambany fiahian’i Frantsa ny “Eny” izay nandresy tamin’ny salanisa 77%. Vita izay, nirosoana ny fananganana ny Repoblikan’i Madagasikara.
R. Nd.





