Lalaon’ny CJSOI 2022: tsy andrenesam-peo ny minisiteran’ny Fanatanjahantena

9 andro mialoha ny ha­nombohan’ny andiany faha-12, amin’ny lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2022) anio. Fihaonana hotanterahina atsy amin’ny Nosy maorisy ny 4 ka hatramin’ny 11 desambra, ho avy izao. Efa vonona
amin’izany avokoa ireo firenena mpifanandrina. Tsy mbola misy resaka kosa hatreto ny an’i Madagasikara. Tsy andrenesam-peo mikasika ity lalao ho an’ny tanora 14 ka hatramin’ny 17 taona ity mi­hitsy ny minisiteran’ny Fana­tanja­hantena, izay tomponandraikitra voalohany.
Sahiran-tsaina ireo federasiona voakasik’izany satria izay tale eo anivon’ny minisitera, nanontaniana, milaza tsy manam-baovao mahakasika izany. Ny vaovao navoakan’ny minisitera farany dia ny filazana fa ny 5 novambra lasa teo ny fotoana tokony hanatontosana ny fampivondronana, saingy tsy nisy izany. Ma­noloana izany, samy manoman-tena araka izay fantany ny taranja isanisany.
Tsiahivina fa efa naterina tany Maorisy ny antontan-taratasy milaza ny fandraisan’ i Madagasikara anjara, saingy hatreto, mbola baraingo na hisy delegasiona malagasy na tsia amin’ity. Tsilian-tsofina ihany koa no nahalalana fa tsy mbola tonga eny am-pelata­nan’ny filoham-pirenena ny antontan-kevitra mikasika ity lalaon’ny CJSOI ity.
Marihina fa taranja 11 no hifaninana amin’ity lalao ho an’ny tanora ity dia ny atletisma, ny lomano, ny tsipy kanetibe, ny triathlon, ny futsal, ny tenisy ambony latabatra, ny ady totohondry, ny fibatana fonjamby, ny tenisy, ny “voile”, ary ny beach hand.
Efa nanambara ry zareo Maorisianina fa mety hisy fiantraikany amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara ny tsy ho fandraisan’ny Malagasy, amin’ ity lalaon’ny CJSOI 2022, ity satria mety hoesorina amin’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy 2023.

Tompondaka

Partager sur: