Reggae : haneho ny “Fitomania” ry Isandranata

Mpanakanto iray manana ny maha izy azy indray no hiaka-tsehatra etsy amin’ny Reggae Bar Ankazomanga, anio asabotsy 26 novambra, manomboka amin’ny telo ora tolakandro. Haneho ny mozikany ny tarika Isandranata, ary nampitondraina ny lohahevitra “Fitoamania” ny se­ho. Efa maro ny sehatra nanehoany ny talentany ary mampiavaka azy ny fahaiza-mihira, indrindra ny gadona reggae, izay tena iseharany amin’izao fotoana izao. “Noho ny fangatahan’ny maro teto aminay, sy fankafizan’ny olona ny zavakanto ataon’ity tarika ity no anisan’ny nanasanay azy mba hihaonany amin’ny m­pan­kafy azy amin’ity indray mitoraka ity… Ny eto amin’ny ivontoerana kosa, miezaka mampihaona ny mpanakanto amin’ny mpankafy azy“, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny seho. Raha ho an’ny tarika indray, tsy hijanona eo fa mitohy hatrany ny mozika sy fanandratana ny zavakanto malagasy.

Narilala

Partager sur: