Saripika: hatsangana ny «Sakaizan’ny mozea»

Tao anatin’ny 5 taona, nisokatra ho an’ny olon-drehetra ny «Musée de la photo», eny Anjohy. Nandritra io fo­toana io, nahatratra 63.000 ny isan’ny mpitsidika raha 26.000 ireo sary voavadika ho nomerika. Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra, maro ireo liana amin’ny tontolon’ ny saripika tahaka izao, kanefa tsy mahafantatra izay fomba ataony ho fanohanana ny «Musée de la photo», izay no nahatonga ny fanapahan-kevitra hiroso amina vina hananganana ny «Sakaizan’ny mozea».
Fantatra fa ny 20%-n’ny tetibola ampiasain’ny «Musée de la photo» ihany no vitan’ ny saram-pidirana eny an-toerana. Ny asa miandry anefa mbola goavana sy maro. Io tranga io no anisan’ny antony hafa hananganana ny «Sakai­zan’ny mozea». Amin’izay fotoana izay, hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpitantana ny «Musée de la photo» sy ny «Sakaizan’ny mozea» hoenti-manatevina ny tahiry (sary, tahirin-kevitra, fahaiza-manao, traikefa…) sy ny hoenti-manana hanodinana ity sehatra ity. Voasoratra avy hatrany ho «Sakaizan’ny mo­zea» ny fandrotsahana vola 250.000ar isan-taona. Amin’ izao fanombohana izao, kendrena ho 100 eo ho eo ny «Sakaizan’ny mozea».
Raha ny fanisana natao, manana tahirin-tsary tranainy 75.000 isa ny «Musée de la Photo» eny Anjohy Andohalo. Teo an’elanelan’ny taona 1860 ka hatramin’ny taona 1960 no nakana ireo saripika ireo. Nanao antso fiaraha-miasa ny mpitantana ity toerana ity ho an’izay vonona ny hifanohana ho fanatanterahana ny vina avrily 2023 hatramin’ny oktobra 2023.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: