Voasambotry ny polisy ny telo lahy mpivarotra rongony eny amin’ny manodidina an’i Talatamaty sy Ambohimangakely, ny zoma 25 novambra teo. Vokatry ny ezaka amin’ny fikarohana ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina nataon’ny mpitandro filaminana, sarona tao an-trano fonenany Talatamaty- Faralaza ny roa lahy. Noraisim-potsiny teo am-pivarotana rongony izy roa ireto. Nosavaina, nahitana rongony […]
Mois : novembre 2022
VOAPOIZIN’NY SAKAFO : olona fito naiditra hopitaly
Nihinana antsantsa boriloha, olona fito indray naiditra hopitaly tao Analapasy, distrikan’i Taolagnaro, faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Naka ny hena avy tamin’ireo antsantsa roa, nahandro azy tamin’ny tokantranony ireto niharan’ny fanapoizinana ara-tsakafo ireto. Nitaraina ho narary kibo sy nandoa anefa izy ireo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana (CSBII Analapasy sy CSBI […]
Ben’ny tanàna voatafika: misy zandary voasaringotra
Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny ny ben’ny Tanànan’Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, ny harivan’ny 23 oktobra teo. Voaroba sy lasan’ireo andian-jiolahy nirogo basy manodidina ny 15 isa tsy nisaron-tava tamin’izany ny vola sy findain’ireo tompon-trano. Tsy nisy maty sy naratra ireo lasibatra. « Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, tsy fantatra ihany koa ny vola […]
Halatra taolam-paty: jiolahy roa maty voatifitra
Jiolahy enina mpivarotra taolam-paty tratry ny zandary tao Ambohipihaonantsoa, afakomaly tokony tamin’ny 11 ora alina. Maty voatifitra tamin’izany ny jiolahy miisa roa nanao asa ratsy. Nahafahana nisambotra azy ireo ny vela-pandrika nataon’ireo zandary. Tsiahivina fa nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona mitady mpividy taolam-paty any efa ho herinandro mahery […]
Haintrano mahatsiravina: entana manodidina ny 700 tapitrisa Ar may
Nijoalajoala ny afo tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ambatondrazaka, omaly. Nanomboka tamin’ny 03 ora sy fahefany maraina teo ny afo ka nandravarava trano fivarotan-kazo ao an-toerana. Vokany, may avokoa ny faritry ny tokotany eo amin’ny 50m2 misy ity tranom-barotra ity. Kilan’ny afo ny entana rehetra, ireo masinina, entam-barotra sy trano […]




