Mois : novembre 2022

Nandresy tamin’ny “Star Academy”: Nahazo 100.000 Euros sy famoahana rakikira i Anisha

Nofinofy tanteraka ho an’i Anisha. Rehareha kosa ho an’ny Malagasy manerana izao tontolo izao. Azony ny loka voalohany tamin’ilay fifaninanan-kira “Star Academy” andiany faha-10. “Hanova ny fiai­na- ­ko iny anjoria iny…” Sady nandohalika no latsa-dranomaso i Anisha raha niteny izany, ny alin’ny asabotsy teo. Izay ny fihetseham-pony voalohany, vantany vao […]

Antoko Vahoaka miray: “Ampifandanjana ny fahazoana mamory olona”

“Mihetsiketsika avokoa ny antoko politika rehetra, in­drin­dra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Adidin’ny antoko politika ny mitaiza ny olom-pirenena. Voalazan’ny lalàna izany ka afa-mamory olona”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka mi­ray (Vami), i Gaby Vaki­ni­a­di­ana. Nefa fanararaotam-pahefana ny fahitany ny ataon’ny mpitondra. Fitaovam-panjakana no entina mandehandeha: fiara takelaka mena. Iza […]

Depiote Randrianasolo Nicolas: “Tokony hakarina ny tetibolan’ny zandary”

“Tokony hakarina ny tetibolan’ny zandarimaria”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Be­troka, Randrianasolo Jean-Nicolas, manoloana ny fahalanian’ny Antenimierampi­re­nena tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Nisy fampanantenana na fanomezana antoka 10 miliara Ar ny volan’ny zandarimaria, taona 2021, nefa tsy azo. Nefa ny tafika sy ny […]

Justice et Paix : mitaky ny fampiharana lalàna

“Iangaviana ny mpanao politika mba samy haneho ny tena fitiavan-tanindrazana, fa tsy hitady tombontsoa manokana na harena na seza na voninahitra”, hoy ny fehinkevitry ny fivorian’ny vaomi­eran’ny eveka, Justice et Paix eo anivon’ny Ekar, teny An­ta­ni­mena, ny herinandro teo. Fanasoavam-bahoaka tsy an­ka­navaka anatin’ny fanarahan-dalàna sy fampiharana ny fahamarinana ny politika […]

Zanak’Isandra miray hina (Kim) : manentana amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana

Anisany paikady apetraka ho fampandrosoana ny any Isandra  ny fidinana ifotony ataon’ireo mpikambana eo an­ivon’ny fikambanan’ny zanak’ Isandra  miray hina (Kim). An­isan’ny nanaovan’izy ireo izany ireo fokontany maro sy kaominina ato anatin’ny distrika. “Natao izany mba hijerena  ireo olana hiombonan’ ireo vahoaka. Eo koa ny fa­nen­tana ireo vahoaka hiditra ao […]