Mois : décembre 2022

Tsenan’Analakely : mandeha ny varotra « t-shirt »

Manomboka mafana ny andro eto AntananArivo. Ifan­drombahan’ny olona rehetra ny fividianana akanjo manify, toy ny “t-shirt”, eny Anala­kely. Araka ny fanadihadiana, natao omaly, mahalafo “t-shirt” maherin’ny 50 eo ny olona iray amin’izao volana desambra izao. Manodidina ny 7 000 Ar hatramin’ny 25 000 Ar, ny vidiny iray amin’izany. Hita eny avokoa ny […]

Entana lany daty: mitentina 800 tapitrisa Ar nodorana

Tao anatin’ny herintaona, nahatratra 817 096 940 tapitrisa Ar ny vidin’ireo entana lany daty nodoran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny indostria. Tsy fanajana ny fenitra tokony arahina ho an’ny mpanjifa, tafiditra anatin’ny tanjona napetrak’ity ministera ity ny famongorana ireo entana ireo. Anisan’ny karazan’entana sarona niparitaka saingy efa lany daty ny paty, […]

Inde sy Madagasikara: miara-miasa ho fampandrosoana ny sehatra indostria

Mifanome tanana amin’ny fampiroboroboana ny Taninketsa Indostrialy i Inde sy Madagasikara. Nandray ny masoivoho vaovaon’i Inde, SE Bandaru Wilsonbab, ny minisitra Razafindravahy Edgard, misahana ny fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC) ny 29 desambra2022. Tsapan’ny ministra Ed­gard Razafindravahy tamin’ny fitsidihany ta­ny an-toerana, ny lanjan’ny fandrosoan’ny firenena indiana […]

Tae-Kwon-Do WT : hatao any Toamasina ny fifaninanana

Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, eo amin’ny taranja Tae-Kwon-Do WT, ny ligin’ Atsinanana. Hotantera­hina ny 5 ka hatramin’ny 7 janoary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny sokajy rehetra. Hiady izay ho lohany amin’ izany, ireo ligy 9 mandrafitra ny federasiona. Hanana ny lanjany manokana ity fihaonana ity, […]