Tsy mbola niala tamin’ny trano fonenany ireo mponina eny Andohalo, ambanin’Ampahamarinana, raha ny zava-misy teny an-toerana, omaly. Herinandro mahery taorian’ny nametrahan’ny BNGRC sy ny Kaominina ny saina mena teny amin’ireo faritra atahorana hihotsahan’ny tany eto Antananarivo. Ho an’ireo mponina, tsy mahafoy ny hiala ao amin’ny trano fonenany izy ireo amin’ny […]
Mois : décembre 2022
Malagasy ho any Chine: niova ny fepetra ara-pahasalamana arahina
Nanazava ny amin’ ny fitsipika ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ho an’ny mpandeha avy eto Madagasikara ka hihazo an’i Chine, ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana. Manomboka ny 8 janoary 2023 izao, ireo mpandeha fiaramanidina hihazo an’i Chine dia tsy maintsy manao fitiliana test PCR, 48 ora mialohan’ny handraisany ny sidina mivantana […]
Bekily , Ampanihy, Betroka, Amboasary Atsimo: tokantrano 8 amin’ny 10 mitofezaky ny hanoanana
Fianakaviana amin’ny tokantrano maro ao amin’ ny distrikan’i Bekily, Ampanihy, Betroka sy Amboasary Atsimo no manana olana amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa tena miaina ambany fetran’ny fahantrana tanteraka izy ireo raha ny tatitra niraisan’ny sehatra samihafa manara-maso ny fanjarian-tsakafo «Sécurité Alimentaire Nutrition et Alerte Précoce». Raha ny antontanisa dia tokantrano 8 […]
Misafoaka ny Seces : mampiharihary ny fitsarana miangatra ny fanamelohana ny talen’ny Crou-A
Tsy nitsitsy fitenenana ny Seces sampana Antananarivo naneho ny alahelony manoloana ny fanasaziana tsy am-piheverana ny talen’ny Crou-A. Manaporofo ny fitsarana miangatra sy ny fampanjakana ny gaboraraka eny amin’ny oniversite ny zava-misy. Manaratsy endrika ny fitondrana ny tranga toy izao, hoy ny Seces. Mitroatra ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra, Sampana […]
Slam Malagasy : mankalaza ny faha-15 taonany
Ao anatin’ny fankalazana ny faha -15 taonany ny fikambanana Madagaslam. Nanomboka ny desambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny volana desambra 2023 ny fankalazana. Maro ny vina sy hetsika miavaka kasaina ho tanterahina hanamarihana izany fankalazana izany amin’io taona io. Hisy ny famerenana ny fifaninanana andraisan’ny sekoly ambaratonga faharoa […]




