Nodimandry i Edson Arantes Do Nascimento na i Pelé, mpanjakan’ny baolina kitra brezilianina sy eran-tany, ny alakamisy lasa teo. Taorian’izany, naneho ny fihetseham-pony mahakasika izany, ireo olo-malaza rehetra, tao anaty tambajotra serasera. Araka izany, nanoratra hafatra ho an’i Pelé ireo kintan’ny baolina kitra ankehitriny, isan’izany i Messi, mpilalao Arzantina, “ […]
Mois : décembre 2022
Ankoay U19: hitohy ny fampivondronana
Nifarana ny alakamisy 29 desambra lasa teo ny fampivondronana voalohany, ny mpilalaon’ny Ankoay U19, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay 2023 any Aostralia. Hitohy avy hatrany ny volana janoary 2023 izao ny fampivondronana, hatao isaky ny alarobia sy asabotsy ary hitohy ny […]
Ima Faneva : «Nasaiko nifona i Tsilavina Drogba»
Mbola ambetin-dresaky ny rehetra foana hatreto ny fialan’i Tsilavina (Drogba), tao amin’ ny Barea de Madagascar. Manoloana izany, nandroso vahaolana i Ima Faneva ka niangavy ity mpilalao ity hifona amin’ny mpanazatra. Tsy nitazam-potsiny nanoloana ny olana mampifanolana an’i Tsilavina (Drogba) sy ny mpanazatra ny Barea Chan, Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ […]
Mpianatra any ivelany : mitaky ny tohana avy amin’ ny fanjakana
Manao antso avo amin’ ireo tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika sy amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry ny vondron’ny mpianatra mahazo vatsim-pianarana any ivelany . Mikasika ny tsy mbola nandraisan’izy ireo izany ho an’ny taona 2020-2021. Mampiara-peo anaty fanambarana miaraka ny mpianatra any Tunisie, Algérie, Indonésie, Russie, Chine, […]
“Raharaha CrouA”: Helohin’ny Mafami ny fibodoana tanin’ny oniversite
Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Mpianatra ambaratonga ambony, mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray, omaly. “Manameloka ny fibodoana ny tanin’ny oniversite izahay na inona antony na inona endrik’izany”, hoy izy ireo, tetsy Ambanidia. Niantso sy nanentana ny rehetra koa anefa izy ireo mba hanaja ny lalàna velona, indrindra fa […]




