Ambatondrazaka : nanaovana adisisika ny tazomoka

Nisy fivoriana adisisika nataon’ny sampandraharaha miady amin’ny tazomoka tany Ambatondrazaka ny herinandro teo. Tanjona ny hampitombo hatrany ny fahamailoana amin’ny trangana tazomoka sy ny fiaraha-miasan’ny mpisehatra rehetra eny ifotony amin’ny ady amin’ity aretina ity. Ny mampiavaka ny faritra, izay anisan’ny antony mampiakatra ny tazomoka dia izy betsaka tanimbary, misy ny farihin’Alaotra, betsaka mpivezivezy, misy mpitrandraka vatosoa…. Mamely ny areti-mifindra ankehitriny ary tazo mahery no ilazan’ny dokotera azy raha ny fisehony. Any amin’ireo toerana tena be tazomoka toy ny faritra Ala­o­tra izay nanaovana ny fivoriana dia fiarovana amin’ny kaikitry ny moka no anaovana fa­nentanana indrindra ho an’ny zaza sy ny reny bevohoka.
Hisy rahateo ny fizarana lay misy odimoka miisa 1.100.000 tanterahina amin’ ny distrika 14 ao anatin’ny faritra 8 izay mbola ambony ny tahan’ny aretina tazomoka ao aminy.

Tatiana A

Partager sur: