Toetr’andro : hitohy ny erika eto Antananarivo

Mbola mandrafitra ny toetry ny andro ho an’ny anio sy rahampitso eto Antananarivo, ny vokatry ny varatraza mitondra erika madinika manify toy ny volon’andro ririnina ho an’ny ilany atsinanana rehetra ny tapany maraina, araka ny fanazavan’ny teknisianin’ny Meteo. Hahazo orana tandrifin-drahona kosa ny ilany andrefan’Anta­nanarivo anio hariva. Rahampitso maraina, hahazo orana manify ny ilany atsinananan’ny Nosy ary hipaka aty Antananarivo, hivadika orana tandrifin-drahona izany ny hariva. Ny alatsinainy, vokatry ny fitsokan’ny varatraza ihany, hanorana ny tapany atsinanan’ny Nosy iray manontolo (Sambava-Vangaindrano) ary hanerika ny ilany atsinananan’ny afovoan-tany. Ny tapany hariva, hiitatra amin’ny ilany atsinananan’i Mangoro, Amoron’i Mania sy Matsiatra ambony, Ihorombe hatrany amin’ny faritra Vato­vavy sy Atsimo Atsinanana ny orana raha hahazo orana tandrifin-drahona Antanana­rivo.
Hitoetra aty amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy (Menabe sy Melaky) ny oram-baratra anio. Tandrifin-drahona kosa ho an’ny Boeny sy Sofia. Hitohy ny oram-baratra any andrefana rahampitso sy ny alatsinainy. Ny varatraza no mahatonga ny maripana ambany ny tapany maraina eto Antananarivo. Any andrefan’ny Nosy ihany no miakatra ny maripana mahatratra 37°C toy ny any Beroroha. Tsy mbola misy fiforonana rivodoza ao anatin’ny dimy andro manaraka.
Momba ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo kosa, antonony izany ho an’ity herinandro ity na efa nanakaiky ny fenitra farany napetraky ny OMS aza ny fivangongoan’ny akora madinika; hoy ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso.

Tatiana a

Partager sur: