Badminton – «Mada 2022»: hifantenana izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy

Notanterahina ny asabotsy sy omaly alahady, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton, sokajy «sénior» la­hy sy vavy. Fihaonana, natao tetsy amin’ny kianja ANS Ampefiloha. Tanjon’ity fifaninanam-pirenena ity, ny fitiliana mpilalao handrafitra mialoha ny ekipam-pirenena. Ankoatra izay, hijerena ny filaharan’izy ireo ihany koa ka ireo 24 lahy sy 18 vavy no hiady toerana amin’izany, izay hivoahan’ireo mpilalao, hakana 6 lahy sy 6 vavy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy.
Raha hiverenana ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, nahatratra 3 ireo ligim-paritra niatrika izany dia Analamanga sy Vakinan­karatra ary Atsinanana. 10 ireo klioba niady izay ho lohany dia ny Sporting Club Itaosy, ny Lycée Catholique St Michel Itaosy, ny VTTK Ivato, ny MB2 All, ny Baobad, ny Antsirabe Bad­minton Club, ny East Bad, ny ST Jo Mahamasina, ny Manjakandriana BC, ny CBFJ Ambohitrimanjaka.
Miisa 88 mianadahy mianaka kosa ireo nifanintsana, tamin’ireo sokajy 7 niadiana amboara tamin’ity. Anisan’ ny nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny olon-tokana lehilahy “D”, i Toky avy amin’ny ST Jo Mahamasina, nandresy an’i Jocelyn, Lycée Catholique St Michel Itaosy, tamin’ny seta 2 no ho 0 (21 /18 ; 21/11).

Ankoatra izay, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny sokajy olon-tokana «vétéran», i Monclair, mpikatroka SCI Itaosy. Resiny teo amin’ny famaranana, ta­min’ny seta 2 no ho 0 (21/14 ; 21/6), ihany koa i Albin, Lycée Catholique St Michel Itaosy. Namaranana ny taom-pilalaovana 2022, ity fifaninanam-pirenena sokajy “senior”, ity.

Torcelin

Partager sur: