Fisaraham-panambadiana : lany andro ny lalàna mifehy azy

Natsinkafon’i Nam­binin­tsoa Joséphine Prisca, “M.2” sampam-piofanana lalàna anivon’ny oniversiten’ Ankatso nandritra ny fanohanana ny voka-pikarohany, natao tao Ankatso, ny herinandro lasa teo, fa efa lany andro ny lalàna mifehy ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana ka lasa mitondra voka-dratsiny amin’ny reny sy ny taranaka izany. Raha mitranga amin’ny ankohonana iray ireo, misy fihenan’ny ny herim-pamokarana sy fitadiavana fihariana eo amin’ny andaniny izay somary marefo miampy ny fivezivezena aman-taonany eny anivon’ny fitsarana sy ny fandaniam-bola maro sa­mi­hafa (saran-dalana, mpisolovava… Vokany, tsy afaka hamokatra sy hitady vola ny ray aman-dreny ary tsy afa-mianatra sy hisitraka sakafo ara-pahasalamana, indrindra ny ankizy. Nohamafisiny ta­min’ny famelaberan-kevitra fa misy ny ray izay mandositra adidy satria tsy mametraka fisaraham-panambadiana kanefa tsy hita popoka tsotra izao. Ilana lalàna ny momba izany fa lasa vesatra ho an’ny reny. Indraindray koa ny reny no mitsoaka manoloana ny ankohonany. “Mila fanavaozana ny lalàna mifehy ny fanambadiana sy fisaraha-panambadiana”. Taorian’ny fanadihadiana nataony, 1704 ny fangataham-pisaram-panambadiana ho an’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo. Naha­zo­any naoty 17,05/20 ny famelabelaran-kevitra notohanany.

Sajo

Partager sur: