Lomano-Tompondaka eran-tany: « Record national » roa no montsan’ i Jonathan

Nifarana, omaly, tany Aostralia, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, dobo filomanosana 25 m, taranja lomano. “Record national” roa no montsan’i Jonathan.

Tsara raha eo amin’ny fe-potoana vitany, ny vokatra ho an-dRa­har­vel Harivony Jonathan, nandritra ity fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano ity. Mbola mila ezaka kosa anefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ra­ha jerena ny laharana. Nan­dritra izay herinandro izay, “record national” miisa 2 no montsan’i Jonathan. Teo amin’ny 100 m Brasse ny nahazoany voalohany ny 14 desambra lasa teo, ka 1.01.08 no nahavitan- dRaharvel Harivony Jona­than, izany, tany amin’ny dobo filomanosana Mel­bour­ne Aostralia. 1.02.73 no fe-potoana tsara teo aloha, vitan’i Jonathan hatrany, nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena natao tany Thailande, tamin’ity taona ity. Mbola nahazo “record national” ihany koa izy, teo amin’ny 50 m Brasse, ny asabotsy 17 desambra lasa teo. 28.55 ny fe-potoana azony, raha toa ka 28.82 ny azony farany, tany Thailande ihany.
Ho an’i Tendrinavalona Idealy kosa, somary ratsy ny vokatra ho azy, raha ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona Malagasy ny lomano, noho ny tsy fahampian’ny fanomanana. Tsy mba niatrika fiofanana tany ivelany, toa ny fanaon’ireo mpilomano sasany hanao fifaninanana goavana izy fa teto Madagasikara ihany ny nanoman-tena ka tsy dia nisy vokatra azo nantenaina.

Tsiahivina, nandritra ity fiadiana ny tompondaka eran-tany ity, ihany koa no natao ny kongresy natre­han’ny filohan’ny federasiona Malagasy, Jeneraly Ra­ma­nantsoa Gabriel. Hitodi-doha eto an-tanindrazana ny 21 desambra izao ny delegasiona Malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: