Mondial – Qatar 2022 : Tompondaka i Arzantina

Voahosotra ho tompondaka eran-tany fanintelony ny Albiceleste Arzantina. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny “tirs au but”, 4 no ho 2 ny Les Bleus Frantsa. Tratra ny tanjona ho an’i Messi.

36 taona aty aoriana, tompondaka eran-tany indray ny Albiceleste Arzantina. Nahazo kintana fahatelo, ry zalahy ary tratra ny tanjona ho an’i Messi, izay nahazo ny “Mondial”. Resin-dry zalahy, tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 4 no ho 2 ny Les Bleus Frantsa, omaly nandritra ny famaranana, natao tao amin’ny kianja Lusail Stadium. Niady hatramin’ny farany ny lalao.

Fidirana voalohany, nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Arzantina. Baolina matin’i Messi, tamin’ny alalan’ny “penalty” (23 mn) sy ny an’i Di Maria (36 mn). Fizaram-potoana faharoa, nampidirina i Coman sy i Camavinga, ho an’i Frantsa izay nitondra hery ho azy ireo. Nosahalain’i Mbappé ny isa, rehefa nahafaty “penalty” (80 mn), ary mbola nampiany indray 1 mn  taorian’izay. Tsy nisy intsony ny baolina maty taorian’izay.

Niditra tamin’ny fanalavam-potoana. Namono ny baolina fahatelo, i Messi (108 mn). Nihevitra ny rehetra fa vita ny lalao saingy nidona tamin’ny  tanan’i Romero ny dakan’i Mbappé, ka “penalty”. Maty izany rehefa nodakany. 3 sy 3 ny isa teo izay nisarahan’ny roa tonta. Niditra teo amin’ny “tirs au but” ny roa tonta.  Tsy namono ny azy, i Coman sy i Tchouameni.

 

Ireo mendrika

-Mpilalao mendrika «Mondial 2022» : Messi (Arzantina)

-Mpilalao tanora mendrika : Enzo Fernandez (Arzantina)

-Mpiandry tsatoby mendrika :  D Martinez (Arzantina)

-Mpamono baolina be indrindra : Kyllian Mbappé (Frantsa)

 

 

Partager sur: