Tsy afaka mihetsika ny rantsam-batana: nomen’ny filoha seza misy kodiarana i Sedera

Vokatry ny fahavoazana eo amin’ny tsokan-damosina, tsy afaka mihetsika ny ratsam-
batana ambanin’i Sedera. Nivonto koa ny tongony satria nivaingana ny ra ka nanentsina ny “veine” teo amin’ny foto-peny.

Ny talata lasa teo no tonga teo amin’ny CHURJA indray i Sedera, ilay ankizilahy voan’ny balan’ny jiolahy tany Toa­masina, ny fiandohan’ny vo­lana novambra teo. Fidirana hopitaly faharoa izao satria nisy olana ny fahasalamany ka nampiakarina aty Anta­na­narivo. Herinandro ny faharetan’ny fandraisana an-tanana azy ao, hoy ny mpitsabo. Efa nisy fihatsarana ny fahasalamany ary hiroso amin’ny fanetsiketsehana azy ny “kinésitherapeute” sady hampianatra ny ray aman-dreny sy ny fianakavany ny fanetsehany azy rehefa miverina any an-trano. Mifandray an-telefaonina isan’andro amin’ny fianakaviana koa ny mpitsabo hanaraha-maso ny fivoaran’ ny toe-pahasalamany. Nomen’ ny filoham-pirenena Rajoe­lina Andry seza misy kodiarana izay tena ilaina anatin’ny fikarakarana azy i Sedera ka ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka no nanatitra izany teny amin’ny CHUJRA, ny faran’ny herinandro teo. Mpitsabo manam-pahaziana manokana amin’ny seha-pitsaboana samihafa no mandray an-tanana an’i Sedera amin’ izao fotoana izao. Sarotra ny fitsaboana ary mafy ny dona nahazo ny tsokan-damosina nefa tranga tsy ilana fandidiana aloha hatreto, hoy hatrany ny mpitsabo “specialiste”. Efa tafavoaka ny pitika bala. Ora enina aorian’ny fahavoazana no mety ho avotra ny tsokan-damosina arakaraka ny fahavoazana nefa ho an’ity tranga niseho tamin’i Sedera ity tsy azo kitihina mihitsy ny bala hitandrovana ny fahasalamany, hoy ny minisitry ny Fahasalamana.

Nentina ny fanazavana ara-pitsaboana sa­tria misy olona manangom-bola hoentina handidiana azy. Azo ha­na­m­piana ny fianakaviana amin’ ny fikarakarana ny vola azo.

Vonjy A.

Partager sur: