Volley ball-CCCZone: mety ho 3 ny ekipa vehivavy malagasy

Anatin’ny fiomanana tanteraka amin’izao ireo klioba malagasy hiatrika ny fifaninanana CCCZone 7 (Coupe des clubs Champions Zone 7), taranja Volley ball. Fifaninanana hatao ny volana febroary 2023 izao any Maorisy. Raha ny loharanom-baovao, nangataka tamin’ny Federasiona malagasy ny volley handray anjara amin’ity CCCZone 7 ity ny ekipan’ny Bi’As, ka mety ho lasa 3 izany ny solontenan’ny sokajy vehivavy malagasy, raha toa ka ho isan’ny klioba hihazo an’i Maorisy miaraka amin’ny Stef’Auto sy GNVB ihany ny Bi’As. Araka ny fanazavan’ny FMVB, efa nalefa any amin’ny CAVB (Kaon­fe­derasiona Afrikanina ny Volley ball) ny fangatahana ka ho hita eo ny valiny. Efa nifampiresaka mivantana ta­min’ny filohan’ny CAVB ihany koa ny filoha lefitry ny FMVB, nandritra ny kongresy natrehany ny 27 hatra­min’ny 30 novambra lasa teo, tany Casablanca Ma­ra­o­ka. Tsiahivina, laharana fahatelo teo amin’ny Seniors vehivavy, ny Bi’As, nandritra ny fiadiana ny amboara an’i Madagasikara farany teo. Etsy ankilany, klioba tokana no hisolotena ny lehilahy amin’ity, dia ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball), ekipa tompondaka nandritra ny fiadiana ny amboara an’i Mada­ga­si­kara. Tsy ho afaka ny hiatrika ity fifaninanana ity mantsy ny ekipa tompondaka lefitra.
Mitotaly 4 ihany izany ny klioba malagasy hifaninanana amin’ny CCC­Zone 7 any Maorisy, hahitana lehilahy iray sy vehivavy 3.

Mi.Raz

Partager sur: