Ny CRCO (1) any Seychelles sy ny CRFIM (2) eto Madagasikara miaraka amin’ny EUNAVFOR Atalanta no miara-mandrindra ny fiarovana ny fari-dranomasina Atsimo Andrefan’ny ranomasimbe Indianina , nomena anarana hoe Levante.
Mandritra io fitsirihana ny fari-dranomasina io, manamorina ny Seychelles, ohatra, sambo 19 hitan’ny CRFIM, mampanahy ka nitakiana fisavana.
Araka izany, nanondro sambo mpanjono iray Shin Shuen Far ny CRFIM hahazoana vaovao, ny CRCO kosa nandefa ny « frégate » espaniola Santa Maria hizaha ny toerana misy ilay sambo nosavaina. Ny fizahana nataon’io sambo mpanjono espaniola io no nafahana nijery ny taratasin’ilay sambo, ka tamin’izany no nahalalana fa tsy misy mampanahy tao anatiny. Etsy an-daniny, sambo mpiandry morontsiraka any Seychelles PS Etoile nanao fisavana sambo mpanjono roa tany any an-toerana, ka hita fa ara-dalàna koa izany .
Mandrindra ny asany tsy tapaka ny CRCO sy ny CRFIM ho fiarovana ny fari-dranomasina mba tsy hamono antoka ny COI. Porofoin’ny iraka Levante izany amin’ny fahavononan’ny tany mpikambana miaraka amin’ny fanohanan’ny EUNAVFOR Atalanta.
Ndrina