Hotanterahina eny amin’ny MPE Nanisana, ny alakamisy ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana (FEPA), andiany faha-17. Hetsika fampirantiana sy varotra ho fampiroboroboana ny vokatra eto an-toerana. Maherin’ny 130 ireo tranoheva hanehoan’ny mpandray anjara ny vokany.
Haverina ny Fihariana akondro eto Madagasikara. Apetraka ao Brickaville ny valan-tahaka nasionaly hanatanterahina ny tetikasa. Anisan’ny mampidi-bola vahiny eto Madagasikara ny akondro saingy nitotongana ny vokatra sy ny kalitao noho ny aretina sy ny fiovaovan’ny toetr’andro izay nahavery toerana an’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Mahatratra 80 000ha ny velaran-tany hamendrahana fanafody hiadiana amin’ny valala ao amin’ ny distrikan’i Betioky Atsimo, Ampanihy Andrefana ary Sakaraha. Miara-misalahy hanao ny asa ny minisitera mpanatanteraka sy ny IFVM ary ny FAO. Marihina fa mamotika ny fambolena sy ny tontolo iainana ny valala.
Manarina sy mampiroborobo ny tontolo iainana ny honko noho izy singa manan-danja eo amin’ny rohivoahary an-dranomasina. Miaro ny harena voajanahary izy sady mandray anjara amin’ny fidiram-bola sy fiharian’ny mponina. Niara-nisalahy namboly izany, tao amin’ny distrika Maintirano, ny ekipan’ny Talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga sy ny WWF.




