Roa taona sy tapany izao no naha-governoran’ny faritra Atsinanana an-dRafidison Richard Theodore. Aminy, tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny faritra ny haratsian-dalana, fa lasa hery hikarohana vahaolana ny hanatsarana azy ireny. Isan’izany ny famakian-dalana, mirefy 20 km tany Ampasimbe Onibe, distrika Toamasina II. «Mandeha indray izao ny fanarenana ny mampitohy an’i […]
Mois : décembre 2022
Tetikasa Filamatra-kaominina Tsiafahy: nofanina hifehy ny famokarana biolojika ny tantsaha
Nanao hetsika manokana ny tompon’andraikitry ny tetikasa Filamatra, omaly sy anio, eny amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Nampahafantarina ny mombamomba ny tetikasa, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fambolena biolojika… Nisy koa ny famelabelaran-kevitra samihafa. Nohazavain-dRazafindrakoto Mamonjisoa, mpandrindra ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ ny Faribolana fanadihadiana marolafy mikasika ny tontolo iainana sy ny […]
la2m : nanome fitaovana ny koreanina tatsimo
Tonga nanolotra fitaovana ara-medikaly, mitentina 100.000 dolara , ho an’ireo hopitaly lehibe manerana ny Nosy sy ho an’ny laboratoara LA2M ny fanjakana koreana tatsimo tamin’ny alalan’ny Masoivoho an’i Korea miasa eto amintsika, Yongho Son, omaly, teny Ambohidahy. Nandray izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo ary nitondra ny […]
Vokatry ny fanohanan’ny USAID : olona 800 000 nizaran’ny Pam tohana ara-tsakafo
Tsy misy fiahiana ara-tsakafo ny mponina any atsimon’ny Nosy ka tojo olana amin’izao fotoana izao. Nitondra fanampiana mitentina 45 tapitrisa dolara hampiasain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tamin’ity taona ity. Nahafahana nisoroka olana ara-tsakafo goavana ny fisian’ny tohana satria ny […]
Sekoly Telma : notokanana ny Préscolaire tamin’ireo EPP dimy
Niara-notokanana, omaly, teny amin’ny EPP Malaho ny efitranon-tsekoly vaovao ho an’ny Préscolaire natsangana tamin’ny EPP miisa dimy eto Analamanga. Anisan’ny nisitraka izany ny EPP Malaho, Soalandy, Tsararirinina, Soamanandrariny ary Masinandriana, izay ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano avokoa. Ahitana efitrano fianarana sy fampitaovana raitra ahafahan’ny ankizy madinika manokatra tsikelikely ny […]




