Mois : décembre 2022

Asa fikarohana: nosokafana ny ivontoerana « Rasamoelina Joelly Rojo”

Nosokafananyzoma faha-16 nyvolanadesambralasateo, tanyAntanifotsyAndrainjatonyivon-toerana, natokana ho an’nympikarokaantsoina hoe “RasamoelinaJoellyRojo”. Toeranaizaynatsangan’nyprofesoraRasamoelina Henri,miasaaoamin’nyOniverisiten’iFianarantsoa. “Tanjonanyhanampynympikarokamalagasy. Hampirisihanaihanykoanyolom-pirenena ho tiafikarohana”, hoy izy.  Ahitanagazetymarobe, nangonin’nympanorina, nanombokanytaona 1976 izany.  Mbolamisykoavoka-pikarohana toy ny“Mémoire”sy“Thèse”miisa 3000 mahery. “Manampyihanykoanyolonatiavakybokynyivontoeranasatriamisynybokysarotratadiavinasytsyfahitafiryintsonyaoaminy”,hoy hatranynympanorina. Tsiahivina, fa sadyprofesoraamin’nylafinyfandinihananyfiarahamonina no mpanaogazetyihanykoa Atoa Rasamoelina Henri.

Karate-Open de Paris: hitohy any amin’ny faritra ny fanomanana

Nifarana ny alahady 18 desambra lasa teo, teny amin’ny Akademia Nasionalin’ny Spaoro Ampefiloha, ny fampivondronana ireo mpikatroka 30 mianadahy, taranja karate. Fiofanana hanomanana ireo fifaninanana rehetra miandry ny taranja karate, toy ny “Open de Paris”, hatao ny 20, 21 ary 22 janoary 2023. Tonga avokoa ireo karateka nantsoina hiatrika ity […]

Kitra « Mondial » : maro amin’ireo kalaza no tsy ho hita amin’ny 2026

Tapitra tamin’ny fahombiazana, ny fifaninanana eran-tany taranja baolina kitra na « Mondial », ho an’i Lionel Messi sy Di Maria, mpilalaon’i Arzantina. Azon’izy ireo ny amboaran’ny Mondial 2022, natao tany Qatar, ny alahady teo. Rehefa nandavo an’i Frantsa tamin’ny fandakana « tirs au but », 4 no ho 2, raha toa ka nisaraka ady […]

Basikety-“Ligue en fête” : Amboara 42 no nozaraina

Nizotra araka ny tokony ho izy ny korana nokarakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, teny amin’ny Espace Fenitra Bypass, ny alahady 18 desambra teo. Lanonana nentina namaranana ny taom-pikatrohana 2022 no sady nanomezana ny amboara ho an’ireo ekipa mendrika sy nahazo fandresena tamin’ity taona 2022 ity. Amboara 42 no nozaraina nandritra izany […]

Tae-kwon-do WT : “Tokony hifaninana avokoa ny rehetra”, hoy i Franck Tiana

Anisan’ny ligy namerina ny Tae-kwon-do amin’ny lazany teo aloha Analamanga. Manoloana izany, takin’izy ireo ny handraisan’ny mpikatroka rehetra anjara hitazomana ny lentan’ny fifaninanana. Nambaran-dRako­to­ma­nana Franck Tiana, filohan’ny ligin’Ana­la­ma­nga Tae-Kwon-Do, fa tsy tokony hisy izany mpikatroka tonga dia tafakatra fotsiny izany, satria efa tompondaka farany. “Tokony handray anjara amin’ny fifaninanana avokoa […]