Mois : décembre 2022

Fokontany IIIG Hangar : nohazavaina ny elakela-trano

Nidina teny amin’ny fokontany IIIG Hangar ny solombavambahoaka, voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany, Dimbindraibe Ratafika, ny faran’ny herinandro teo, nijery akaiky ny fiainam-bahoaka eny an-toerana. Tsikaritra tamin’izany fa maizina ny tanàna ka nitondra fahazavana tamin’ireo elakela-trano izay tena fandehanan’ny mponina ny tenany. Anjakan’ny tsy fandriampahalemana, noho izany haizina izany teny […]

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: nahazo fitaovana avy amin’ny masoivohon’i Frantsa

Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny masoivohon’i Frantsa, omaly. Notanterahina teny anivon’ny IFNP Mahamasina izany. Na­hitana fitaovana maro toy ny valizy misy “tablette” 24, ordinatera, video-projecteur, fihainoana, clés USB ary indrindra “edbox” miisa 140. Hisitraka izany ny ivontoeram-panabeazana Lycée anatin’ny faritra 12 manerana ny Nosy raha ny fanazavan’ny […]

Fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo : nampitombo ny hantsana eo amin’ny sahirana sy ny manan-katao

Nanomboka ny taona 1961 ka hatramin’ny 2020, nitombo 1,2°C ny maripana ankapobeny eto Antananarivo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Météo Malagasy ary nidina hatramin’ny 300 mm ny refin’ny rotsak’orana. Tsapa fa efa misy fiantraikany eto an-dReni­vohitra ny fiovan’ny toetr’andro ary tsy voafe­hin’ny mponina. Nanonta­niana ny fiovan’ny toetr’andro, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny […]

Mondial Qatar 2022 : fanomanana lafo indrindra : 220 miliara dolara

Tsiahivina fa betsaka ny fanomanana ara-toekarena tany Qatar nialoha ny fandraisana ny lalao eran-tany teo amin’ny baolina kitra 2022. Fanamboarana kianja, hotely fandraisam-bahiny, seranam-piaramanidina, fotodrafitrasa maro hafa. Nanomboka tamin’ny 2012 ny fanomanana fandraisana ny Amboara eran-tany farany teo, ka nandanian’ny fanjakana arabo any Qatar 220 miliara dolara izany tamin’ny fanamboarana […]

Atsimo Atsinanana …: simba ny seranan-tsambon’i Manakara

Sahirana ny mpandraharaha any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany. Simba ny seranan-tsambo iombonan’ireo faritra ireo, nefa raha ny tatitra nataon’ny mpandraharaha maro, dia misy vokatra fanondrana maro hita any, toy ny kafe, lavanila, jirofo, letisia, izay anisan’ny vokatra fanondrana sady fiveloman’ny olona maro. Tsy hahita seranan-tsambo, ohatra, hatramin’izao […]