Mois : décembre 2022

Tetikasa PAAEP : olona 3.423.000 hahazo rano fisotro

Nisokatra, omaly, ny atrikasa mikasika ny tetikasa Fanatsarana ny rano fisotro madio (PAAEP). Nitarika iza­ny ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidi­niavo, notronin’ny tompon’andraikitry ny Banky iraisam-pirenena (BM), miasa eto amintsika, Rtoa Uwanyiligira Marie-Chantal. Teo koa ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy ny avy any amin’ny farita. Tohin’ny […]

Fampandraharahana ny tanora : hiara-kiasa ny CT Motors sy ny Banky Baobab

Hanome sehatra ny tanora tsy an’asa, tontosa tetsy Andraharo, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa CT Motors sy ny banky Baobab Madagasikara mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampindramam-bola ho an’ny mpanjifa, omaly. Hahazo tombontsoa amin’izany ireo ma­niry hividy fitaovam-pitaterana ao amin’ny orinasa CT Motors satria afaka mindram-bola mivantana amin’ny Baobab. “Nosantarina […]

«Caméra de surveillance » 1 200 : hamaha ny olan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra

Tafiditra tanteraka amin’ny fampandrosoana anatin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fifandraisan-davitra ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Hanara-maso ireo zava-mitranga amin’ireo toerana 300 ireo « caméra » napetraka manomboka izao. Miroso anatin’ny fampivoarana ara-kajy mirindra toy ny tanàn-dehibe any ivelany, miisa 1.200 ireo «caméra» tafapetraka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. […]

JIOI 2023-CIJ : nidina ifotony tany Mahajanga

Taorian’ny fanokafana ta­min’ny fomba ofisialy ny fi­voriana tetsy amin’ny No­votel Alarobia, tsy niandry ela fa avy harany dia nidina nijery ifotony ny fotodrafi­trasa tany Mahajanga omaly, ny eo anivon’ny CIJ (filan­­ke­vitra Iraisam-pirenena ny La­lao, ho an’ny lalaon’ny Nosy), notarihin’ny filohany, i Antho­ny Gopal. Niara-dalana taminy nandritra izany, ny minisitry ny […]

Bemiray: fampahafantarana ny fihetsika ara-pahasalamana 21

21 ny fihetsika ara-pahasalamana tsotra azo isorohana ny aretina amin’ny andavanandro. Efa novolavolaina ny taona 2019 ny paikady nasionaly amin’ny fanovana ny fitondran-tena hifanaraka amin’ny fahasalamana niarahan’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka. Nampa­ha­fantarina ny vahoaka teny amin’ny tokotanin’ny Gara Soarano ireo fihetsika fototra ara-pahasalamana 21 tokony hananan’ny rehetra, nandritra […]