Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tery, 3 no ho 2, ny Uscafoot nanoloana ny ASA Diana. Ambin-dalao tsy tontosa, ho an’ny kaonferansy avaratra, izay tafiditra amin’ny andro fahaefatra, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League”. Fihaonana, notanterahina omaly alakamisy, tetsy amin’ny kianjan’ Alarobia. Niady […]
Mois : décembre 2022
Lomano : Niova ho « Word Aquatics » ny FINA
Notanterahina, omaly, tany Aostralia ny kongresy teo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja lomano, natrehan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny lomano, Jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Tapaka nandritra ity kongresy ity fa miova ho “Word Aquatics” ny anaran’ny FINA (Fédération Internationale de Natation), manomboka amin’ny taom-pikatrohana ho avy. Firenena 175 amin’ireo 185 tonga nanatrika […]
Hiffim : «Ilaina alohan’ny fifidianana ny fanorenana ifotony»
“Heverinay fa ilaina alohan’ny fifidianana ny fanorenana ifotony, ilaina mandritra ny fifidianana, ary mbola ilaina rehefa vita ny fifidianana. Satria fanarenana sy fanavotana ny firenena no tadiavina”, hoy ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony (Hiffim), Andriamiseza Alain, momba ny fikaonandoha karakarain’izy ireo nandritra ny roa andro teny […]
Fanohanana ny PEM : hanampy amin’ny angovo ny Egyptianina
Hivelatra amin’ny sehatra hafa ho amin’ny fampandrosoana. Hifarana tsy ho ela ny fe-potoana iasan’ny ambasadaoro Egiptianina teto Madagasikara, i Usama Saeed Khalil. Noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo ny tenany, omaly. Nivoitra tamin’izany ny jery todika momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nisongadina indrindra sady nanamarika […]
Toe-draharaham-pirenena : tsy manana ahiahy ny Vondrona afrikanina
“Amin’izao fotoana izao aloha, tsy manana ahiahy ny amin’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara izahay. Velona sy mihetsika ny fiainana politika eto. Izay. Miara-miasa ny rehetra mba hanamafisana ny fandriampahalemana”, hoy ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, taorian’ny atrikasa teny Ivandry, afakomaly, momba ny toe-draharaham-pirenena, taorian’ny fitsipaham-pitokisana […]




