Mois : décembre 2022

Karate : mpikatroka 30 mivon­drona etsy Ampefiloha

Taorian’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara farany teo sy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Dur­ban, ma­natanteraka fampivondronana etsy amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro Ampe­fi­loha, ny Fe­derasiona ny Ka­ratedo Ma­lagasy. Mpika­troka 30 mianadahy avy amin’ny ligy ma­nerana ny Nosy no ma­­naraka ny fampivondronana mandritra efatra andro, na­nomboka omaly […]

Vokatry ny fahalotoan’ny rivotra : Malagasy iray ao anatin’ny telo no maty aloha loatra

Maloto ny rivotra iainana eto Madagasikara. Miteraka voka-dratsy ara-pahasalamana izany ary mamono olona mihitsy. Misy ny fiaraha-miasan’ny Amerikanina sy ny manam-pahaizana malagasy amin’ny fitadiavana vahaolana. Nisy ny fanaraha-maso nitety vohitra ny kalitaon’ny rivotra iainana nataona ekipana manam-pahaizana manokana amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny zon’olombelona no­tanterahina ny […]

Taratry ny kanto

La Teinturerie – Tarika Mbola Talenta Ao anatiny tanteraka! Tao­rian’ ny seho fampahafantarana ny asabotsy teo, hiaka-tsehatra sahady etsy amin’ny La Teintu­rerie Ampasani­malo ry Mbola Talenta sy ny tariny, anio ma­nom­boka amin’ny 8 ora alina. Fotoana hizaran’izy ireo ha­trany ny sanganasany, mozika miaina mifototra amin’ny tendry gitara ravahina zavamaneno malagasy […]

Oniversiten’Antananarivo : Mahaliana ny tanora ny hetsika kolontsaina maroloko

Hetsika lehibe ahafahana mamantatra sy mampahafantatra kolontsaina maro ny hetsika “Kolontsaina maroloko”. Fo­toana ihany koa hiraisana sy hi­fanakalozana ho an’ny tsy mi­tovy fiaviana, indrindra ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo. Tanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny 15 sy 16 desambra 2022, ny hetsika “Kolontsaina maroloko”, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny sampandraharahan’ny kolontsaina eo […]

Fiainam-piarahamonina : mbola voazanaka i Madagasikara

An’ny Malagasy i Madagasikara. Ekena, saingy tsy izay ny tena zava-misy marina ! Manana ny fombany ny Malagasy. Tsy azo lavina, saingy zovy no miaina izany amin’izao vanim-potoana izao ? Teny malagasy no ifampiresahana. Efa mifangaroharo be izy ankehitriny fa tsy madio ranoiray intsony. Natolotra ny Malagasy tamin’ny taona 1958 ny fahaleovantenam-pirenena… […]