Mois : décembre 2022

Fitsipiham-pitokisana : nisy lainga sy fitaka ny amin’ny fanaovan-tsonia

Tsy nisy ny tsy fahatomombanana tamin’ny fanaovan-tsonia ny fikasana hanaovana latsa-bato ny fitsapaham-pitokisana, fa zavatra noforonina ary natao niharihary teo imason’ny vahoaka ny lainga sy ny famitahana ta­min’izany, araka ny fanaza­van’ny avy amin’ny vondrona parlemantera GPR, ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, Raharisoa Jo­hasy Eléonore, momba ny fanangonan-tsonia tamin’iny […]

“Raharaha volamena 73, 5 kg”: nohenoin’ny Pac ireo vavolombelona miisa 80

Nitohy omaly ary mety ho nandoaka alina ny fiakaran’ny “Raharaha volamena 73,5 kg”, naondrana an-tsokosoko atsy Afrika Atsimo tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 ha. Nohenoin’ny mpitsara avokoa ireo vavolombelona maromaro. Miisa 80 ireo vavolombelona nohenoin’ny teo anivon’ny fampanoavana. Eo ireo najoro, naneho ny fiarovana […]

CUA sy ny mpivarotra : miray feo ho an’Antananarivo madio sy milamina

Notanterahina tetsy amin’ ny Tranompokonolona Anala­kely, ny alarobia teo, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny mpivarotra miisa sivy (Andravoahangy, Ambohimanarina, Anjoma­kely, Ambohijatovo, Andrian­jaka, Tsimialonjafy, Ampa­sampito, Anosibe). Fanehoana fahavononana hanome tanana an’Antananarivo amin’ny fomba fandaminana rehetra sy ny fanatsarana ary ny hanovana ny rafitra sy ny […]

“Maison Blanche” : noraisin’ny filoha amerikanina ny filoha Rajoelina

Anisan’ny niavaka amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy Afrika ny nandraisan’ny filoha Amerika­nina, Joe Biden ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny “Maison Blanche” any Was­hington. Dinika manokana natao, mialoha ny fivoriana iaharana tamin’ny ireo filoham-panjakana avy amin’ny firenena afrikanina efatra hafa, anisan’ny hikarakara fifidianana amin’ny herintaona. Nambaran’ny filoha Ame­rikanina […]

Filaminana mitaky fitoniana

Tsy mbola milamina tanteraka ny raharaha politika eto amin’ny firenena. Niaraha-nahita, omaly, fa nametraka taratasy fangatahana ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny firenena tsara tantana, momba ilay fitsipaham-pitokisana. Andrasan’ny mpanara-baovao sy ny sarambabem-bahoaka ny ho tohin’izany. Indrindra fa mipoitra tsikelikely […]