Niakatra fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny alarobia 7 desambra 2022 teo, ny antontan-taratasin’ady laharana faha 115-Toa/22-3062-RP/21 nahavoarohirohy an’i Siza José sy ny namany. Tsy niatrika ny fotoam-pitsarana i Siza José raha nahazo fahafahana vonjimaika ireo namany roa lahy. Raha hiverenana ity raharaha ity, voampanga ho nandratra raim-pianakaviana […]
Mois : décembre 2022
Etazonia sy Afrika: manamafy ny fiaraha-miasa
Nandray anjara tamin’ ny fikaonandoha lehibe ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ireo mpitondra amerikanina sy afrikanina ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny misolo toerana. Ho an’ny omaly, nikasika ny habakabaka izay nampiseho ny fandalinana eo amin’ny ara-tsiansa sy ara-barotra eny ana habakabaka. Anisan’ny hahafahana mamaha olana eo amin’ny toetr’andro, ny […]
Fiaraha-miasa amin’ny UA: nampitana lesona sy traikefa ireo mpanao politika
Hifarana, anio rehefa naharitra roa andro ny atrikasa iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina, tanterahana eny Ivandry . Niompanan’ny lohahevitra ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny lafiny politika. Nasaina niatrika izany teny an-toerana avokoa ireo solontena avy amin’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimiera roa tonta. Ny mpisehatra politika, ny tsy miankina ary koa […]
Antoko politika madio: mampanahy ny lisitry ny mpifidy
“Manontany tena izahay Antoko Politika Madio (APM) hoe ho tratra ao anatin’ny telo volana izay fe-potoana anaovana ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy ve ny fanisana? Hatreto, maro ireo olana tsapa ara-bola sy ara-pitaovana, ao amin’ny Ceni”, hoy ny filoha lefitry ny APM, Andrianarimalala Heritiana. Tokony hotanterahina mangarahara izany, […]
Kongresi-paritra tany Ihorombe: nomena toromarika hiomana ny mpikambana MMM
Mazava sy hentitra ny toromarika. «Hatomboka ato amintsika ato anatiny aloha ny fomba fiasa sy fisainana tokony hatao raha hitondra firenena isika. Hitantsika ny tranga miseho tato ho ato ireny… Ilaina ny fifampitaizana anatiny mba tsy hisavoritaka rehefa any ivelany…», hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, omaly. […]




