Mois : décembre 2022

Antenimierampirenena: lany ny tetibola fanavotana ny Jirama

Nolanian’ny Antenimie­ram­pirenena farany teo ny fanovana nentin’ny Ante­ni­mi­e­randoholona, fanovana tsy nasiam-panitsiana mikasika indrindra ny trosan’ny Jirama. «Tsy miditra lalina loatra amin’izay ny fanjakana satria ny fitantanam-bola ao amin’ ny Jirama misaraka tanteraka amin’ny fanjakana foibe. Sa­in­gy tsy afaka jerena fotsiny ny olan’ny Jirama dia tonga ihany ny fanjakana manampy», hoy […]

Vahiny miasa any ivelany: nitombo 5% ny fandefasana vola any amin’ny firenena niaviana

Manatsara ny fari-piainan’ny fianakaviany any amin’ny tany niaviany, ny vola alefan’ireo vahiny miasa any amin’ny firenena mandroso. Nihena ihany anefa izany tamin’ity taona ity, raha oharina ny nalefan’izy ireo ny taona 2021. Na eo aza ny krizy samihafa manerantany, mi­la­za ny Banky iraisam-pirenena (BM) fa afaka nandefa vola any amin’ny […]

Indray mijery

Hiitatra manerana ny Nosy ny oram-baratra ho an’ny rahampitso ka hatramin’ny faran’ny herinandro, izay nanomboka tany amin’ny ilany andrefana sy ny faritra anatiny ary ny tany amin’ny ilany afovoany atsinanana. Voalaza fa ho mora kokoa ny fiforonan’ny oram-baratra amin’ity herinandro ity. Momba ny kalitaon’ny rivotra, hihatsara izany ho an’ny telo […]

Ankatoky ny fety : etsy Mahamasina ny Noelin’Iarivo

Hanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy amin’ny voalohan’ny volana janoary izao ny Noelin’Iarivo izay hotanterahina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ampitan’ ny St Michel. Hisy ny tsenan’ny asa tanana malagasy sy ny tranoheva ho an’ny karazana sakafo masaka. Omen-danja indrindra koa ny ankizy amin’ireo karazan-kilalao sy fialamboly satria efa […]

Fanavaozana ny rafi-panabeazana : lany teny anivon’ ny Antenimierandoholona ilay volavolan-dalàna

Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Ante­ni­mi­e­ran­doholona Anosy, nandritra ny fivoriana ny talata lasa teo ny volavolan-dalàna laharana fa­ha-009/2022, tamin’ny 15 jona 2022 mahakasika ny La­là­na mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Ma­da­gasikara, Isan’ny teboka misongadina ao amin’ity volavolan-da­là­na ity ny fametrahana politikan’ny teny hoenti-mampianatra. Eo koa ny fanovana sy fanavaozana […]