Ahiana ho nandoaka alina ny fiakaran’ireo voarohirohy amin’ny fanondranana an-tsokosoko ilay volamena 73,5kg atsy Afrika Atsimo. Maromaro ireo niakatra fampanoavana, omaly, tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), 67ha hatramin’ny ora nanoratana Nihetsika ny raharaha, herintaona aty aoriana. Anisan’ny nohadihadiana tamin’izany ireo mpiasan’ilay kaompania STA sy ny mpiasan’ny ACM. Notsiahivin’ny […]
Mois : décembre 2022
Namearison Robert : “Tokony handeha ny fifidianana na misy na tsia ny vola”
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena, hanao ahoana ny fanomanana ny fifidianana? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Tokony handeha ny fifidianana eto Madagasikara na misy na tsia ny vola.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitan’ny KMF/Cnoe ny fanisana mpifidy amin’izao sy ny lesoka amin’izany? Namearison Robert […]
Mediatioran’ny Repoblika : “Maro ireo lalàna efa nilaozan’ny toetrandro”
“Maro ireo lalàna efa nilaozan’ny toetrandro. Maro ireo sehatra mbola indramantsika lalàna vahiny efa tranainy mifehy azy, na lalàna tsy namoahana didim-panjakana fampiharana dia sarotra ny mampiasa azy na tsy mihatra mihitsy aloha”, hoy ny fanazavan’ny mediatioran’ny Repoblika, ny Me Ratsirahonana Lala Harijaona, nanao tatitra teny Isoraka, omaly, ny amin’ny […]
Jirama : mpitantana anjatony vaovao notendrena
Nanova rafitra ny orinasa Jirama, taorian’ny tombana nataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, tamin’ ireo tale maherin’ny 40, ny faran’ny volana novambra teo. Namoaka lisitra tompon’andraikitra ambony vaovao, manodidina ny 100 ny filankevi-pitantanana, ny talata 13 desambra teo. Mandimby ireo tompon’andraikitra ambony voarohirohy amin’ny raharaha eny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny […]
Taolagnaro : voatery manapaka jiro ny QMM
Nilaza tamin’ny Jirama sy ireo mpiara-miasa aminy ny QMM fa tsy afa-mihoatra (force majeur) amin’ny sehon-javatra sasany any Taolagnaro misakana azy tsy hamita ny fifanarahana. Izany dia noho ny sakana atao tsy ahazoan’ny QMM manao ny asany am-pilaminana nanomboka tamin’ny 1 desambra. Hatramin’ny nisian’io sakana io, mirongatra ny halatra isan-karazany […]




