Manohana amin’ny fampivelarana ny mpanakanto sy ny zavakanto malagasy ny Fondation H. Misongadina ao anatin’izany ny kanton’ny ankehitriny. Fantatra fa mampitombo ny sehatra ivelarany amin’io andraikitra iantsorohany io ry zareo. Rehefa nohavaozina sy nasiam-panamboarana tao anatin’ny roa taona… Hotokanana ny 28 avrily 2023 izao, ny trano vaovaon’ny Fondation H, etsy […]
Mois : décembre 2022
CUA – Fid – SCTV : sady hanodina fako no hamorona asa
Natao, omaly tetsy amin’ ny lapan’ny Tanàna Analakely ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fid ary ny “Société de Tri Compactage et Valorisation- STCV”. Anisan’ny orinasa mpanangona sy mpanodina fako. Nambaran’ny solontenan’ny Fid tamin’izany fa anisan’ny ny fandaharan’asa fiahiana ara-tsosialy Mikofo, tanterahan’izy ireo ary […]
Samy miandry !
Herinandro farany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny taranja baolina kitra isika. Betsaka ny voka-dalao tsy nampoizina hatrany am-boalohany, indrindra ho an’ny ekipa tsy nampidirina tany anaty lisitr’ireo sangany sy noheverina ho loha-laharana. Azo lazaina fa tomombana ny fanomanana tao Qatar, na betsaka azy ny kiana sy ny fanenjehana […]
Lehilahy namono vady : novelesina maritoa, mbola naolana
Voaheloka higadra mandra-pahafatiny, miampy asa an-terivozona ny raim-pianakaviana iray. Novonoiny tamin’ny vely kobay sy maritoa ny vadiny. Mbola naolana koa na dia efa safotra aza. Efa dimy sahady izao ireo voampanga namoahana didim-pitsarana hanefa sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty miampy ny tsy fahazoana mivoaka ny faritra misy azy. Misy indray ireo […]
Fianarantsoa : tratra ireo mpanao vola sandoka
Voasambotry ny polisy ireo jiolahy telo, malaza amin’ny fanaparitahana vola sandoka sy famakiana trano mitam-piadiana, any Fianarantsoa, ny talata teo. Marihina fa anisan’ny toerana nahitana vola sandoka mivezivezy sy vaky trano tany an-toerana. Maro ny olona lasibatr’izany asa ratsy izany ka nitaraina teny anivon’ny polisim-pirenena any an-toerana. Voalaza fa andian-jiolahy […]




