Mois : décembre 2022

Misalasala ireo mpandraharaha : maro ny toeram-pilanonana tsy hanao “Réveillon”

Vitsivisy ireo efitrano filanonana mandray ny fetin’ny fa­ran’ny taona tamin’ity taona ity. Mbola matahotra ny fiantra­ikan’ny valanaretina Covid-19 ireo mpikarakara lanonana sy tompon’ireny trano fanaovam-pety ireny. Niakatra rahateo ny vidin-javatra rehetra, tsy maintsy hiakatra torak’izany ny vidim-pidirana ka manahy ny tsy fahafahan’ ny olona ny mpikarakara. Mbola maro ny olona […]

Noho ny ezaka natao tany atsimon’ny Nosy: tompondakan’ny fanjarian-tsakafo Rajoelina Andry

Hisy tetikasa andrana dimy iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo iarahana amin’ny fikambanana Big Win Philanthropy eto amintsika. Nosokajian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) sy ny fikambanana Big Win Philanthropy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Ni­voi­tra izany nandritra ny fihao­nan’ny filoham-pirenena ta­min’ny filoha lefitry ny BAD, Marie-Laure […]

“Dahalo Tour 2022” : nahavita seho 26 tany Eoropa ry Dizzy Brains

Anisan’ireo tarika malagasy mivoy ny rock, misongadina hatrany ivelany ry Dizzy Brains. Porofon’izany ny fahombiazan’ny “Dahalo Tour 2022”, na ny fitetezam-pirenena tany Eoropa nataon-dry Eddy sy ny tariny. Tontosa avokoa ireo seho 26 nampahafantarina mialoha, izay na­no­mboka tamin’ny volana jolay tao Frantsa. Tany rahateo ny ankamaroan’ny seho, ankoatra ny tany […]

Fitantanana ny zon’ny mpamorona : lany teny Tsimbazaza ilay tolo-dalànan’i Rossy

Taorian’ny asam-baomiera tamin’ny alatsinainy, nentina teo anivon’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina teny amin’ny Antenime­ram­pi­re­nena Tsimbazaza ilay tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert, na Rossy, omaly. Nolanian’ireo solombavambahoaka tonga tao, araka izany, ilay tolo-dalàna laharana faha-002-2022/PL, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana 94-036 mahakasika ny zon’ny mpamorona. Antony maromaro no […]

Ranty saripika: 15 taoana ny Madagaslam

Taorian’ny fifaninanana na­sionaly teo amin’ny «Slam » nahafahana namantatra ny tompondakan’i Ma­da­gasikara. Mitohy amin’ny fampirantina, ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanana Madagaslam. Eny amin’ny Ivontoeran’ny Ko­lon­tsaina Malagasy na IKM Antsahavola no hanatanterahana izany. Hetsika nanomboka ny 2 desambra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 23 desambra 2022. «Tanjona ao anatin’izao ny […]