Iray amin’ireo zavamaneno hita manerana an’i Madagasikara ny valiha. Miha maro ny efa liana aminy, indrindra fa ny Malagasy. Tsy vitsy ireo niroso amin’ny fampianarana azy ity. Vokatr’izay, samy manana ny fomba heveriny fa hoenti-mampita fahalalana ny mpampianatra tsirairay. Tahaka izany ihany koa ny fandaharam-pianarana. Mba hampifanatona akaikikaiky kokoa ireo […]
Mois : décembre 2022
“Mizara hafalina” : nahaliana ny olona ny hetsika
Notanterahina teny amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny, ny zoma 30 desambra 2022, ny hetsika “Mizara hafalina”. Dihy vakodrazana, niarahana tamin’ny tarika Bakomanga, noravahana lalao sy fanentanana no naseho nandritra ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana sy ny hameloma-maso ny kolontsaina malagasy, ankoatra ny fifampizarana hafalina, hoy ny mpikarakara. Anjaran’ny […]
Teren’ny tsy fisiana asa: mihamaro ireo mpitsoka mozika an-dalambe
Raha mbola eto Antananarivo, tsy nisy tsy nahatsikaritra ireo mpitsoka mozika etsy sy eroa. Nihamaro izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao, ary mbola hihabetsaka amin’io fifampiarahabana noho ny taom-baovao io. Fahasahirana anefa ny ao ambadik’izany… Nahitana azy ireny foana isan-taona, rehefa manakaiky ny fetin’ny faran’ny taona, fa indrindra ny voalohan’ny taona. […]
Raholinarivo Paolo : “Mila filaminana ny vahoaka”
“Andao mba hifanampy, rehefa tsy afaka hanome na inona na inona ny vahoaka ho hanina amin’ny fety isika: mba hampisakafoantsika filaminana izy”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Solonavalona Paolo, amin’ izao fetin’ny faran’ny taona izao. Mba ny filaminana izany no ataony sakafo. Satria miakatra dia miakatra ny […]
Fahatongavan’ny taona vaovao: nirary soa ho an’ny Malagasy ny filoha teo aloha Ravalomanana
Efa niarahaba sahady ny malagasy amin’izao hahatongavan’ny taona vaovao 2023 izao ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nirary soa sy fahombiazana sy fanantenana ho an’ny vahoaka tenany. Niantsoany koa mba tsy ho kivy na ho ketraka fa mbola hisy fararany izao. “Manàna fanantenana ary minoa fotsiny ihany fa aza matahotra. […]




