Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, taorian’ny fivorian’izy ireo ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany, tonga ny fotoana hanatsarana ny andininy vitsivitsy ao amin’ny lalàna 2018-008. Anton’izany ny hisian’ny fifidianana malalaka, andraisan’ny rehetra anjara sy eken’ny rehetra ka hitondra filaminana ary indrindra fa hahamarin-toerana ny kandida ho lany eo. “Fotoana izao […]
Mois : décembre 2022
Fiaraha-miasa amin’ny UA: nofanina hisoroka krizy ireo vehivavy…
Nisokatra, omaly tetsy Ivandry ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy parlemantera, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina. Niompana amin’ny fisorohana sy ny fitantanana krizy izany. Nambaran’ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina (UA), eto amintsika, i Hawa Ahmed Youssouf fa anisan’ny kaontinanta tsy afa-bela fa mbola feno krizy i Afrika. “Zava-dehibe […]
“Sommet Etazonia – Afrika”: indroa handahan-teny ny Filoha Rajoelina
Efa any Washington ny filoha Rajoelina mivady sy ireo delegasiaona miaraka aminy. Hanatrika ilay fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy ireo mpitondra fanjakana afrikana “Sommet US – Africa 2022”. Maherin’ny 50 ireo filoham-panjakana sy filoham-pirenena hiatrika izany any an-toerana. Anisan’ny maha zava-dehibe ny fihaonana, ny lafiny jeostratejika na diplaomatika fa […]
Famerenana na fanarenana ifotony
Tsy milamina be ihany ny tontolo politika amin’izao: tsy hita be ihany, saro-binanina sy tsy ampoizina izay mbola mety hitranga… Hanao ahoana? Tsy inona fa ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nandamoka saika nataon’ny Antanimierampirenena tamin’ny governemanta. Mbola mampanontany tena ny sasany ao anatiny na mpitazana ety ivelany izay antony fototra nampiatoana na […]
Mila fitoniana : mahamay ny raharaham-pirenena
Vy tsy mikitrana irery! Tsy mbola vita fa mifanjinja ny samy depiote, andaniny. Mitohy ny tsy fifankahazoana eo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta, ankilany. Manoloana izany, maro ny vondrona, fikambanana, antoko, miantso fitoniana. Mivadika ho disadisa anatiny ao Tsimbazaza ny tohin’ily fitsipaham-pitokisana, nivoaka niditra iny. Misy ireo izay miketrika ny […]




