Hitafa amin’ny mpanao gazety etsy amin’ny Parvis Analakely, anio, ireo mpivarotra ao amin’ny Pavillon Analakely, indrindra ireo nanana olana mahakasika ny fandoavan-ketra. Nisy omaly ny dinika nifanaovan’ny solontenan’izy ireo tamin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, niarahana nitady ny fomba ahafahan’ny mpivarotra manokatra ny tsenany izay nakatona. Niangavy ny hanohizana ny varotra […]
Mois : décembre 2022
kariera Sahantona : olona 10 voasambotra
Taorian’ilay savorovoro tao amin’ny kariera Sahantona, kaominina Andohajango, distrika Mandritsara, ny zoma teo. Ankehitriny, olona 10 no voasambotry ny mpitandro filaminana, roa tamin’ireo kosa no mponina avy ao an-toerana. Mbola misy ny karohina momba ity raharaha ity, hoy ny zandarimaria. Maro ihany koa ireo foko antandroy namonjy fodiana taorian’ny korontana. […]
Vangaindrano : mpangala-gisa niharan’ny fitsaram-bahoaka
Nitondra gisa tao anaty gony, nifanotofan’ny fokonolona nodarohina ka naratra mafy ny mpangalatra iray tao Karoaka fokontany Manombo, tao Vangaindrano, ny zoma lasa teo. Tamin’ny telo ora maraina, raikitra ny fanenjehana ny jiolahy mpamaky trano sy fisoko. Lasa tamin’izany ny gisa telo sy akoho iray. Nafatony tao antin’ilay gony ireto […]
Toamasina : jiolahy iray nikasa handositra voatifitry ny polisy
Nirefodrefotra indray ny basy ! Lavo ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Ambodimandresy, kominina ambanivohitra Sandahatra, disitrikan’ i Toamasina II, ny marain’ny alatsinainy. Efa nokarohina hatry ny ela, ity jiolahy ity. Raha ny angom-baovao, nitrangana halatra sy vaky trano tao an-toerana ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady. Very ny vola 3 […]
Hamangy ny sakaizany : lehilahy voadaroka
Namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy teo amin’ny lohany sy ny tanany ny raim-pianakaviana iray tao Antsenavolo anatin’ny faritra Atsimo-atsinanana; ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo.Naharay antso tamin’ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly Antsenavolo ny zandary lehiben’ny tobim-paritra fa misy lehilahy iray naterin’ny namany ao amin’izy ireo. Vaky […]




