Mois : décembre 2022

Judo – Mada 2022: niakatra ny lentan’ireo mpifaninana

Nafana ny famaranana, omaly, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Nisesisesy ny Ippon teo amin’ny sokajy Minimes. Hitohy anio, etsy amin’ ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Ny sokajy Juniors sy Cadets no hiaka-tsehatra anio, raha toa ka efa nahavita ny anjarany, ny […]

Ihorombe : roa lahy nahatrarana rongony 12 gony

Voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Iakora, distrikan’Ihorombe ny lehilahy roa nitondra rongony, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo ny lehiben’ny zandary ao an-toerana, ny 22 de­sambra lasa teo. Voalaza fa misy andian’olona maromaro milanja rongony any, ka handalo ao amin’ny kaominina. Nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana vantany vao […]

Nanenjika tavoahangy nisy jorery : zazavavikely telo maty an-drano

Maty nalentiky ny rano ny zazavavikely telo. Nanenjika tavoahangy nisy jorery izy ireo, tao Ambavarano Antsahatanteraka, kaominina Fenoarivobe. «Nahita tavoahangy nisy jorery izay nentin’ny rano izy ireo tamin’ny 12 ora atoandro ka nanenjika izany. Tsy tafaverina intsony anefa», hoy ny nanatri-maso. Nahavoaray antso avy tamin’ny olona tsara si­trapo ny Jly […]

Fiara nivadika : nalefa hopitaly avokoa ireo naratra

Nalefa nihazo ny hopitaly ao Fianarantsoa ny roa tamin’ireo olona efatra tra-doza omaly tamin’ilay fia­ran’ny Fondation médicale Ampasimanjeva, afakomaly. Ny iray tamin’ireo masera voa mafy tsy nahatsiaro tena kosa nalefa nihazo ny renivohitra raha nijanona nanohy ny fitsaboany ao Mana­ka­ra kosa ny iray hafa. Tsihivina fa tra-doza teo amin’ny 10 […]

Fotodrafitrasa eny ifotony: miroso ny fanamboaran-dalana Mahajanga – Amborovy

Miroso miandalana ny fanamboaran-dalana RN54 Mahajanga tanàna, mihazo ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, Amborovy. Efa maherin’ny 35% ny fahavitan’ny asa amin’izao fotoana izao. Izany hoe eo anelanelan’ny Galana Tsara­mandroso sy “Ponceau” fi­vi­liana mihazo ny any amin’ ny Mazava huile. Samy ahitana izany fa­na­mboaran-dalana izany avokoa, miainga eo amin’ny Ji­rama , Amboboka. […]